Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 09h11
 

Teny zato, kabary arivo

Ahitsio raha diso

vendredi 29 juin 2007 | Penjy R.

Manembon-dava ny andro taloha ny ankamaroan’ny vahoaka mbola miaina eto an-tanindrazana ankehitrio, ary na izao fitondrana be mpanan-kiana izao aza dia mety ho fahatsiarovana volamena ho an’ny sasany atsy ho atsy. Marina io, satria matoa naongana ny fitondran’i dadabe Tsiranana dia nisy fiheverana ho tsy nahomby tao. Ny Politikan’ny kibo no tarigetrany tamin’izany. Niongana izy ny taona 72 na dia maro aza no nihevitra fa nahavita zavatra maro ity olom-boafidy ity, isan’io ny « cite » maro manerana ny nosy izay mbola iainantsika ankehitriny, ary toa tsy orin-tsakafo ny Malagasy tamin’izany. Izay lany tamin’ny latsa-bato no asian-dresaka eto, ka nandray fahefana tamin’ny latsa-bato ihany koa ny filoha Ratsiraka, izay nampihatra ny paradisa sosialista, saingy io niarahana nahita io ny vokany, tsy midika akory izany fa tsy nahavita zavatra izy, saingy naloam-bahoaka indray ny taona 91. Ny Profesora Zafy Albert lanim-bahoaka ihany koa hitondra ny tany sy ny fanjakana, kanjo telo taona monja teo amin’ny fitondrana ny firenena dia nahongan’ireo depiote tetsy Tsimbazaza. Tafapetraka ho ray aman-drenin’ny demokrasia ity filoham-pirenena ity, satria izy irery no tazana fa tsy nisy romoromo raha niala teo amin’ny fitondrana, ary nalalaka tanteraka ny fanehoan-kevitry ny rehetra raha tsy hiteny ny fidiran’ny mpitondra niongana tamin’ny fitondrana mivantana avy any ivelany mitsikera fanjakana amin’ny haino aman-jerim-panjakana teto an-toerana. Niverina ny Amiraly Ratsiraka izay niarahana nahita ireny no niafarany tamin’ny taona 2002. Ny fitondran’ny filoha Ravalomanana irery sisa no tsy mbola niongana tamin’ny toerana raha filoha lanim-bahoaka tamin’ny latsa-bato no asian-teny, kanefa nisy ihany ny mpitondra nitantana teto saingy notendrena avokoa ireny toy ny Jeneraly Ramanantsoa, kolonely Ratsimandrava, norbert Lala Ratsirahonana. Ahitsio raha diso, fa ny tiana ambara dia aoka samy hiano ny feom-bahoaka mba tsy hiverenan’ny tantara teo aloha ka hanenina lava tamin’izay natao isika rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS