Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 07h20
 

Teny zato, kabary arivo

Mangidy mafaitra

jeudi 21 juin 2007 | Penjy R.

Mitombina ihany ny tenin’ilay mpanao hatsikana iray izay, milaza fa ny mpanao baolina gasy mihitsy no tsy mahay, ka aoka tsy ahilika any amin’ny federasiona na ihany koa ny mpanazatra ny raharaha. Toa mitombina ihany koa io raha atao jery todika amin’ny ankapobeny, satria toa samy manao izay ho vitany ny mpikarakara fa ny erijika hananan’ny mpilalao no tsy ao. Vita iny ny fiatrehana ny CAN 2008, fa ny lalaon’ny nosy indray izao banjinina. Inona no ho vitan’ireto mpilalao tantanim-bazaha tsy ampy sokay ireto ? Tsy ampy sokay hoy izahay, satria na ny sakafo tohan’aina ao anatin’ny fanazaran-tena ataon’izy ireo aza anie ka maha menatra e. Raha hitady fandresena ho vonahim-pirenena, nahoana raha izao no voriana miaraka hanao fanazaran-tena tsy miato ireo mpilalaontsika ireo ? Omeo tambiny sahaza azy koa ry zareo, eny tsy maninona raha ampitahana ny omena ireo ambara fa olom-panjakana ambony notendrena aza, satria reharehan’ny firenena ireo katita kely ireo.

Na hiova in-jato aza ny mpanazatra sy ny federasiona, ka mbola tsy mahazo ny anjarany ireto mpilalao ireto, dia mbola mangidy mafaitra ihany ny baolina kitra malagasy, ka tsy mbola tara ny hanaovana izao lahatsoratra izao, fa samia mieritreritra isika mianakavy fa ny baolina boribory anie ka mamim-bahoaka, ka raha ny vahoaka no mitroatra iraha-mahita ihany ny fihetsiny e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS