Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 00h27
 

Teny zato, kabary arivo

Nankaiza ny Tanteliko teto ?

mardi 17 juillet 2007 |  261 visites  | Penjy R.

Raha nisy firenena nanaiky voalohany izao fanjakana mijoro izao ny taona 2002, dia raha tsy voalohany dia faharoa ny Soisa, ary azo heverina fa manga ny lanitra teo amin’ny fiaraha-miasan’ny tany roa tonta raha tsy hiteny ny asa goavana atsy Moramanga isika. Nitobaka ny vola ary nahazo asa ny Malagasy, ka heverina fa ankoatra ny fitrandrahana fasi-mainty any Tolagnaro, dia mba isan’ny nampahazo aina ny Ariary ny vola vahiny miasa ao Moramanga. Re anefa fa mety ho tapaka ny fiaraha-miasa amin’ny Soisa izay isan’ny tompon’antoka amin’io sehatra goavana any Moramanga io, ka mahatonga ny kajikajy isan-karazany hanidina eny rehetra eny. Tsaroantsika tsara fa volabe an’ingahy Praiministra teo aloha Tantely Andrianarivo tany amin’ny banky Soisa no saika ho giazan’ny fitondrana ankehitriny, saingy manana ny lalàna ifampifehezany ny banky lehibe tahaka itony, ka dia nomena ny tompony avy hatrany io vola be io. Dia ho sanatria ve ny fanomezana an’ingahy Tantely Andrianarivo ny vola tao amin’ny kaontiny, no mety hahatapaka ilay fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ? Toa endrika mandrora mitsilany ihany ny fanjakana malagasy raha izay no marina, satria iza moa no nandefa an’ity olona ity handositra tany ivelany izay nambara fa alefa hitsabo tena, koa izao vao mahatsiaro hoe nankaiza ny Tanteliko teto ? Rehefa tsy manaraka ny baiko eto an-toerana ve ny any ivelany dia ho tapahana avokoa ny fiaraha-miasa ? Aleo hono mitandrina vao mandray fanapahan-kevitra. Ny mandrava hono mora fa ny manangana no sarotra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS