Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 06h03
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • Antananarivo renivohitra

    Be mpanimba ny asa

    mercredi 2 avril 2008 | Penjy R. |  764 visites
    Iarivo maha-te honina. Mbola izay ve no mitoetra ankehitriny? Andeha hidirantsika kely ny zava-nisy teto hatramin’izay ka hatramin’izao. Ny fitodiana amin’ny asa mety ahatsara zavatra ny ampitso. Raha nanjàka ny vahiny, dia nisongadina vetivety ny asa natao teto Iarivo, isan’io ireo trano mijoalajoala manemitra ny araben’ny fahaleovantena, trano izay mbola manome endrika ny renivohitra ankehitriny. Tamin’ny Repoblika voalohany no kila hotohoto ny lapan’ny tanàna tao Analakely, ary tsy mbola (...)
  • Vola baoritra

    lundi 18 février 2008 | Penjy R. |  317 visites
    Nanaitra ihany ny tenin’ny mpanao politika iray omaly nilaza fa tsy ny fambolena sy ny fiompiana intsony no ahavelona eto Madagasikara ? Nanaitra ny rehetra, satria toa mitombina nefa maha-kely risi-po ny vahoaka. Nohazavainy fa vola mitentina 600 miliara no natobaka tao amin’ny PSDR mba hanaovana lakan-drano sy barazy hamokarana betsaka ho amin’ny fambolena, saingy toa vao mainka miha-fadiranovana ny tantsaha mpamboly any ambanivolo. Vitsy no mba tafita fa voron-kitsay hatrany no fiainan’izy (...)
  • Toamasina

    Manarina ny simba ny minisitra

    mercredi 13 février 2008 | Penjy R. |  416 visites
    Tsy ho renivohitry ny toe-karena ihany ny ao Toamasina, fa eo ihany koa ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena. Io no fototry ny dian’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ary ny Fialamboly, Patrick Ramiaramanana raha nidina tany izy ny herinandro teo. Nijery ifotony ny tontolon’ny fanatanjahantena ity minisitra ity, ka isan’ny nahe-tsika tany ny kitram-pokontany, izay niarahana tamin’ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ary nampiharina tany ny 3P (Fiaraha-miasan'ny Fanjakana (...)
  • Mandroseza

    Vita ireo fotodrafitr’asan’ny Jirama

    mercredi 13 février 2008 | Penjy R. |  393 visites
    Tsy nisy izay tsy nikolay momban’ny fisian’ny delestazy manerana ny faritra maro teto Madagasikara ny vahoaka. Antitra ny fitaovana nampiasaina, hoy ny tompon’andraikitra tao amin’ny Jirama, ary fanamby no natao, fa tsy maintsy ho foana ity delestazy ity. Nanafatra fitaovana avy any ivelany ny fanjakana, ary navaozina tanteraka ny fotodrafitr’asa rehetra mba hametrahana ireto milina manome herinaratra ireto. Ny zoma ho avy izao ary no hotokanana ilay « centrale thermique » etsy Mandroseza izay (...)
  • Antoko Teza

    Kivy ratsy amin’ny TIM

    vendredi 8 février 2008 | Penjy R. |  653 visites
    « Nandalo ambaratongam-pifidianana maro ny teto Madagasikara, ary samy nahatsapa isika fa tsy nandeha amin’ny tokony ho izy ireo lamina sy ny tena fampiharana ny lalàna nataon’ny Governemanta ». Izany no nambaran’ny loholona, Rakotoamboha Jean Louis avy ao amin’ny Teza. « Maro ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany na eo anivon’ny kaominina izay mipaka hatrany amin’ny faritra ataon’ny antoko TIM », hoy izy. « Misy ny fanerena ny mpiasam-panjakana toy ny sefo Cisco sy ny Dren, ireny dia tokony ahitsy eo (...)
  • Raharaham-pirenena

    Nivadika i Ramino Jean

    jeudi 7 février 2008 | Penjy R. |  1721 visites
    « Mahaiza mandinika ry mpitondra fanjakana, fa efa tsy mahataitra ny maro intsony ny karazana fampisehoana ataonareo. Isan’io ny fidinanana izay atao eto, ka tsy mahazo ny antsasaky ny mpifidy, ary raha miroatra indray izy ireny, dia mifidy olon-kafa toy ny hita teto Antananarivo ireny. Ny fahoriam-bahoaka no maika avotana indrindra, satria latsaka ankaterena lalina izy io, ary saika hilatsaka aho tamin’ity fifidianana indray mitoraka ity, nefa hitako fa tsy maika io raha mitaha amin’ny (...)
  • Antoko AKFM

    Fandraisana andraikitra ny tsy mifidy

    mercredi 6 février 2008 | Penjy R. |  267 visites
    « Tsy hakanosana ny tsy filatsahana ho fidiana, fa isan’ny fandraisana andraikitra ihany koa ny tsy miditra amin’ny sehatra tahaka izany. Kizo ny fanatanterahina ny fifidianana, ka tsy hiroboka amin’ny tetika maloton’ny fitondrana izahay ». Isan’ny nambaran’ny antoko AKFM ny tokony hanitsiana ny lalam-pifidianana. Io no fototry ny olana, satria nisy ny fahavoazana nihatra tamin’ny mpikambana tao amin’izany antoko izany raha nilatsaka ho fidiana nandritra ireny fifidianana nifanesy farany teo ireny (...)
  • CRTIM

    Tanteraka ny zava-drehetra

    samedi 2 février 2008 | Penjy R. |  458 visites
    Manomboka maka volon-tany indray ireo mpikatroka tao amin’ny antoko TIM teo aloha izay niofo ho CRTIM ankehitriny. Tanjona iray no iraisana dia ny hanamafisana orina ity fitondran’ny filoha Ravalomanana, kanefa noho ny disadisa teo amin’ny adin’ankizy dia nisara-bazana ny mpiara-mitolona. Miha-mahazo vahana ny avy amin’ny tsy miankina nandritra ny fifidianana izay niseho, ary ireny niarahana nahita ireny ny fahakiviana teto amin’ny mpifidy. Nahatsapa izany ny birao foibe teo anivon’ny antoko TIM (...)
  • Vaovao tapatapany

    mardi 29 janvier 2008 | Penjy R. |  884 visites
    Ry andriana isany, tafita ny bileta tokana Modely tsara faka tahaka ny nataon’ny zanan-dRanavalona ny alahady teo tetsy amin’ny EPP 67ha atsimo, raha nifidy izay ho filoha hitarika azy ity fikambanana ity. Kandida roa no nifaninana ka lasan’ny Solofoniaina na fantatry ny maro hoe Lolo ny fandresena izay nahazoany isam-bato 433, ary ny mpifaninana taminy kosa dia tsy nahazo afa-tsy 320. Nanjaka ny fiarahalahina sy ny fifankatiavana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ary tsapa tamin’iny (...)
  • Ny marina tsy azo afenina

    samedi 26 janvier 2008 | Penjy R. |  1295 visites
    Omaly no nalefa any an-tanindrazany any amin’ny tapany avaratry ny nosy ny nofo mangatsiakan’ny talen’ny fisafoana ny lafintany teo anivon’ny ministeran’ny ati-tany Jules Antoine Cecilien Aurélien rehefa natao veloma farany tetsy amin’ny chapelle militaire Betongolo. Telo vola ngarangidina no tsy nahitana azy intsony, ary io hita teny Tsaramandroso Ambohimahitsy io ny fatiny ny alakamisy teo. Efa mandeha ny famotorana rehetra izay ataon’ny mpitandro ny filaminana, izay heverina fa tsy ho very maina (...)
  • Rakotovazaha Olivier

    Nihena ny fitiavan’ny vahoaka ny Mpitondra

    vendredi 25 janvier 2008 | Penjy R. |  434 visites
    Tsy mitsaha-mitombo ny elanelana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ka miteraka hakiviana hoan’ny vahoaka io, ary azo hitarafana izany ny fifidianana izay natao rehetra teto, ka nahatonga ny olona hitady olon-kafa raha raisina toy teto Antananarivo renivohitra. Nihena ny fahefa-mividy ary diso fanantenana ny maro hoy ingahy Rakotovazaha Olivier mpikambana ao anaty birao politikan’ny antoko MFM, ary efa leon’ny fampanantenana lava izao izy. Mila rivo-baovao ny vahoaka, ary izay no handraisan’ny (...)
  • Alahelon’ny katolika

    Tsy hanavahana fiangonana ny lalàna, hoy ny Praiministra

    jeudi 24 janvier 2008 | Penjy R. |  367 visites
    Dia hifandroritana tanteraka ankehitriny ny momba ny nanafoanana ilay fandaharana « karajia » tao amin’ny RDB andro vitsy lasa izay, izay efa nitondran’ny Arsevekan’Antananarivo ny alahelony ny nampijanonana izany. Omaly ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta Charles Rabemananjara dia naneho ny heviny, ka nilazany fa tsy hanavahana fiangonana ny fampiharana ny lalàna. Rehefa misy ny tokony hampiharana izany lalàna izany dia tsy maintsy atao, fa tsy sakana ho an’ny fitondrana ny hijery hoe (...)
  • Radio nakatona tao Toamasina

    Efa naverina ve ireo fitaovana nogiazana ?

    mardi 22 janvier 2008 | Penjy R. |  386 visites
    Fanapahan-kevitra nahafaly ny maro ny namerenan’ny ministry ny filazam-baovao Bruno Andriantavison ny hisokafan’ireo radio miisa telo nakatona taona maro lasa izay tao Toamasina. Ny fisian’ny tsy fanarahan-dalàna no isan’ny nanakatonana ireto radio ireto, ary tsaroan’ny rehetra tsara fa isan’ny nogiazana niaraka tamin’ny fanakatoanana ireto radio ireto ireo fitaovana tao amin’ny radio sasany tany Toamasina. Ny fikambanan’ny mpanao gazety amin’ny onjam-peo tsy miankina AJRP dia naneho ny fahavononany (...)
  • Raiso ny lesona

    lundi 21 janvier 2008 | Penjy R. |  814 visites
    Nanomboka omaly ny CAN 2008 izay atao any Ghana ka handraisan’ny firenena maro aty Afrika anjara. Mivantana eto Madagasikara io, izay hisaorana ny fanjakana Malagasy tsy nanao ambanin-javatra io lalao io ho an’ny mponina rehetra eto amin’ity nosy ity. Ekipa heverina fa manana ny maha izy azy avokoa ireo, ka rariny raha mba hahay haka lesona amin’ny fomba filalaony isika eto antoerana. Eo ny teknika, eo ihany koa ny fomba fanomanana ny lalao goavana toy izao. Firy volana, firy taona no (...)
  • Raiso ny fepetra

    samedi 19 janvier 2008 | Penjy R. |  573 visites
    Tora-kovitra tanteraka ny mpiompy omby any Moramanga mahita ny aretina izay mihanaka mandripaka ity biby sarobidy amin’ny Malagasy ity. Amampolony maro no efa maty, ary nalevina avy hatrany izay maty, na dia maro aza ireo mpiompy no mitady hivarotra ny omby matin’aretina. Efa nisy ny fitiliana ity aretina mandripaka any Moramanga ity izay atao eto Antananarivo, saingy mandra-piandry izany dia tokony hisy fepetra haingana raisin’ny fanjakana mba tsy hiparitahan’io any amin’ny faritra hafa. (...)
  • Holafitry ny mpanao gazety

    Tsy handray anjara ny AJRP

    vendredi 18 janvier 2008 | Penjy R. |  346 visites
    Mifantoka betsaka any amin’izay hitantanana ny holafitry ny mpanao gazety ny ankamaroan’ny sain’ny maro, indrindra izay ho filohany hitondra azy mandritra ny telo taona. Rahoviana ihany koa ny tena daty marina hanatanterahina azy sy ny hikarakara izany fifidianana izany, satria maro ny mpanao gazety mitaky ny mba sehatra tsy miankina no hanomana io fifidianana io. Manoloana izany dia fantatra fa tsy handrotsaka olona ary tsy hanohana olona ho amin’izay ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety ny (...)
  • Fanendrena sefom-pokontany

    Mbola ankivy hoy ny mpitazana

    mardi 15 janvier 2008 | Penjy R. |  408 visites
    Dia ny « prefet de police» indray izany no manendry ireo sefom-pokontany eto andrenivohitra araky ny tapaky ny filankevitry ny ministra ny zoma teo, raha nihevitra ny maro fa ny ben’ny tanàna no hanendry azy ireo. Mazava ho azy fa tsy misy olona izay heverin’ngahy ben’ny tanàna fa ahavita ny asa fampandrosoana tiany hapetraka eto izany no handray ny fitantanana, fa olona alefan’ny prefet no hitana io andraikitra io. Inona no nanova io lalana io tampoka hoy ny mpitazana ? Mbola ankivy atao amin’ny (...)
  • Tranom-piatohana MAMA

    Migoka ny vokatra ny mpiasa

    samedi 12 janvier 2008 | Penjy R. |  330 visites
    Miarin-doha ny tranom-piatohana MAMA, raha ny vokatra azo nandritra ny taona 2007 no asian-teny, satria niakatra 13,50% ny vola naloa tamin’ireo tram-pahavoazana raha mitaha tamin’ny taona 2006. Ny vola fiandry ihany koa dia nahitana fitombony, ary voalaza fa nitombo 85% ny vola niditra tao amin’ny MAMA ny taona 2007, ary porofon’izany ny asa mivaingana vita toy ny trano trano miisa enina izay hita any Tsiroanomandidy, Ambatondrazaka, Manakara, Antsirabe, Anosibe, ary ny etsy Ambohimanarina. (...)
  • Voarahona ny mpanao gazety

    vendredi 11 janvier 2008 | Penjy R. |  1295 visites
    Tsy mijanona eo amin’ny tsy fahafaliany amin’ny fitsimbadihan’ny vokatra intsony ny mponina ao Ampefy, fa miroso amin’ny fandrahonana mpanao gazety indray ny raharaha. Rehefa nanao ny fitokonany ireto mponina maro amin’ny kaominina Ampefy ireto, dia nanambara fa hotohizana io mandra-pivoakan’ny vokatra tena marina. Ao amin’ny radio iray any amin’io kaominina io no saika atao fitaovana hifampitana hafatra ho an’ny vahoaka, saingy misy olona mitady hihoam-pefy. Vokatry io, dia nakatona vonjimaika (...)
  • Fitaterana an-drenivohitra

    Tsy hiakatra ny saran-dàlana, fa…

    mercredi 9 janvier 2008 | Penjy R. |  504 visites
    Raha nisy nikasa ny hampiakatra ny saran-dàlana ho 400 ariary ny saran’ny fitaterana eto an-drenivohitra eo amin’ny Taxibe, dia maro ireo kaoperativa no tsy nanaiky io na dia hita aza fa miaina ao anatin’ny fatiantoka ny ankamaroan’nympitatitra. Nijery ny hisian’ny vahaolana izy ireo, ka voalaza fa manomboka ny 15 janoary izao, dia tsy hisy intsony ny saran-dàlana tapa-dàlana. 200 ariary io tapa-dàlana io, izay nahavonjy olona maro, saingy io no tsy maintsy nofoanana ka 300 ariary avokoa no aloha (...)

0 | ... | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS