Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 07h55
 

Teny zato, kabary arivo

Ny marina tsy azo afenina

samedi 26 janvier 2008 | Penjy R.

Omaly no nalefa any an-tanindrazany any amin’ny tapany avaratry ny nosy ny nofo mangatsiakan’ny talen’ny fisafoana ny lafintany teo anivon’ny ministeran’ny ati-tany Jules Antoine Cecilien Aurélien rehefa natao veloma farany tetsy amin’ny chapelle militaire Betongolo. Telo vola ngarangidina no tsy nahitana azy intsony, ary io hita teny Tsaramandroso Ambohimahitsy io ny fatiny ny alakamisy teo. Efa mandeha ny famotorana rehetra izay ataon’ny mpitandro ny filaminana, izay heverina fa tsy ho very maina ny ran’olombelona izay latsaka. Samy manana ny tombany manoloana izao ny rehetra, indrindra fa raha ny andraikitra nosahaniny teo anivon’ity ministera ity no asian-dresaka izay mifandringotra amin’ny fiainam-pirenena maro. Ny marina tsy azo afenina, ka làlana iray ahafahana mitady ny tena ati-doha ny nahitana ny toerana nanafenana ny nofo mangatsiakany, ary efa misy ny olona raisina am-bavany ka ny famotorana ataon’ny mpitandro ny filaminana no ahitana ny tena marina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS