Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Teny zato, kabary arivo

Vola baoritra

lundi 18 février 2008 | Penjy R.

Nanaitra ihany ny tenin’ny mpanao politika iray omaly nilaza fa tsy ny fambolena sy ny fiompiana intsony no ahavelona eto Madagasikara ? Nanaitra ny rehetra, satria toa mitombina nefa maha-kely risi-po ny vahoaka. Nohazavainy fa vola mitentina 600 miliara no natobaka tao amin’ny PSDR mba hanaovana lakan-drano sy barazy hamokarana betsaka ho amin’ny fambolena, saingy toa vao mainka miha-fadiranovana ny tantsaha mpamboly any ambanivolo. Vitsy no mba tafita fa voron-kitsay hatrany no fiainan’izy ireo. Izay mba fananana kely voahangona ripaky ny mpangalatra ao anatin’ny indray mipi-maso. Entanina ny rehetra hiroso amin’io fambolena sy fiompiana io, nefa na ny zezika sy masomboly hamokarana aza midangana ny vidiny. Mazana toa vola baoritra fotsiny ny vola entina atokana ho amin’io sehatra io. Mety hitombina ny fomba fijerin’ny sasany tahaka izany, saingy hanao inona daholo ireo 85% ny Malagasy ireo raha sanatria tokoa ka hiala amin’ny asa fanaony andavan’andro ireto tantsahantsika ireto ? Omeo risi-po izy ireo fa aza kiviana, fa mbola lavitra ny tolona, ary ny renivohitra ihany koa tsy hahavita hamelona tantsaha maro be raha sanatria mandositra miakatra aty avokoa izy ireo. Miasa aza izao no fahoriantsika, koa hitorevaka fotsiny tsy ho zava-doza.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS