Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 12h02
 

Teny zato, kabary arivo

Raiso ny fepetra

samedi 19 janvier 2008 | Penjy R.

Tora-kovitra tanteraka ny mpiompy omby any Moramanga mahita ny aretina izay mihanaka mandripaka ity biby sarobidy amin’ny Malagasy ity. Amampolony maro no efa maty, ary nalevina avy hatrany izay maty, na dia maro aza ireo mpiompy no mitady hivarotra ny omby matin’aretina. Efa nisy ny fitiliana ity aretina mandripaka any Moramanga ity izay atao eto Antananarivo, saingy mandra-piandry izany dia tokony hisy fepetra haingana raisin’ny fanjakana mba tsy hiparitahan’io any amin’ny faritra hafa. Ahiana hianaka toy ny gripam-borona izy ity raha tsy voavonjy haingana indrindra ny fanomezana fanafody ireo omby ireo. Ny fanaraha-maso ny hena omby amidy eny antsena dia tokony ho hentitra ireo veterinera, mba tsy ho sanatria hifindra amin’ny olona indray ny fahavoazana ka izay vao ahita loza eto isika mianakavy.
Izay tsy ripaky dahalo izany ny omby, dia ripaky ny aretina, ary azo heverina fa hiena ny risi-po eo amin’ny tantsaha raha raha mitohy ny faty antoka lava mahazo azy ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS