Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 15h43
 

Malagasy

Rakotovazaha Olivier

Nihena ny fitiavan’ny vahoaka ny Mpitondra

vendredi 25 janvier 2008 | Penjy R.

Tsy mitsaha-mitombo ny elanelana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ka miteraka hakiviana hoan’ny vahoaka io, ary azo hitarafana izany ny fifidianana izay natao rehetra teto, ka nahatonga ny olona hitady olon-kafa raha raisina toy teto Antananarivo renivohitra. Nihena ny fahefa-mividy ary diso fanantenana ny maro hoy ingahy Rakotovazaha Olivier mpikambana ao anaty birao politikan’ny antoko MFM, ary efa leon’ny fampanantenana lava izao izy. Mila rivo-baovao ny vahoaka, ary izay no handraisan’ny antoko MFM anjara amin’ny fifidianana izay mpanolon-tsaim-paritra ho avy izao. Mila arovana anefa ny safidim-bahoaka, ary tsy maintsy jerena ny tena demokrasia marina mba tsy hivilian’ny safidin’ny maro an’isa. Tanjona ihany koa ny hamahana ny filan’ny vahoaka manoloana izao lalan-tsarotra diavin’ny firenena izao, hoy ihany ity ministra teo aloha ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS