Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 19h04
 

Malagasy

Vaovao tapatapany

mardi 29 janvier 2008 | Penjy R.

- Ry andriana isany, tafita ny bileta tokana

Modely tsara faka tahaka ny nataon’ny zanan-dRanavalona ny alahady teo tetsy amin’ny EPP 67ha atsimo, raha nifidy izay ho filoha hitarika azy ity fikambanana ity. Kandida roa no nifaninana ka lasan’ny Solofoniaina na fantatry ny maro hoe Lolo ny fandresena izay nahazoany isam-bato 433, ary ny mpifaninana taminy kosa dia tsy nahazo afa-tsy 320. Nanjaka ny fiarahalahina sy ny fifankatiavana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ary tsapa tamin’iny fifidianana nataon’ny zana-dRanavalona Anosimanjaka iny, fa azo atao tsara ny fifidianana amin’ny alàlan’ny bileta tokana. Ny hanome lanja ny sotoavina Malagasy no tanjon’ity filoha vaovao ity, ary tsy maintsy harenina ireo vakoka eny Anosimanjaka izay heverina fa manana ny tantarany hoy i Lolo, ary atao izay hananan’ity fikambanana ity sehatra amin’ny lafiny maro eto amintsika, indrindra fa ny lafiny ara-tsosialy.

- Fikambanana Orimbato : Hitarina any amin’ny faritany

Raha ny teto Antananarivo ihany no nahafantarana ny fikambanana « Orimbato », dia nilaza ny filoha mpitarika izany Andriamahazo Jaonasivelo na fantatry ny rehetra hoe Ndriana Rasta, fa hitarina ao Antsirabe sy Fianarantsoa ary Toliara izy io. Fikambanana tafiditra lalina eo amin’ny sehatra Politika na dia ny asa sosialy aza no tena nahafantarana azy tany aloha. Efa nitondra tanana ity fikambanana ity, ary nilatsaka matetika tamin’ireny fifidianana natao teto Madagasikara ireny. Momba ny handraisan’izy ireo anjara amin’ny fifidianana ho mpanolon-tsainam-paritra dia nanambara i Ndriana Rasta fa mbola hanao ny fivoriambeny izy ireo hanapaka ny amin’izany, ka ho hita eo na handatsaka olona na hanohana antoko izay mety hitovy fomba fijery amin’izy ireo.

- Fandalovan’ny rivo-doza : Tsy ho vita mora ny fanarenana

Vao manomboka ny fandalovan’ny rivo-doza « Fame » dia efa faritra maro ny potika tanteraka teto amintsika indrindra fa ny tapan’ny andrefan’ny nosy iny. Nijojo ny orana tamin’ny faritra maro ary isan’izany ny teto andrenivohitra omaly, izay hita fa nampiakatra ny renirano sy ny tanimbary maro teo amintsika. Soa fa efa voajinja ny ankamaroan’ireo vary teny amin’ny lemaky Betsimitatatra. Ho taonan’ny asa ity taona ity hoy ny mpitondra fanjakana, kanefa raha izao fahitana ny zava-misy izao dia mety ho taonan’ny fanarenana, satria efa manangasanga indray ny rivo-doza « Gola ». Izany hoe tsy maintsy hiroso amin’ny fanarenana ny potika aloha vao hametraka ny lamina maty paika amin’ny asa vaovao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS