Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 09h00
 

Malagasy

Fanendrena sefom-pokontany

Mbola ankivy hoy ny mpitazana

mardi 15 janvier 2008 | Penjy R.

Dia ny « prefet de police » indray izany no manendry ireo sefom-pokontany eto andrenivohitra araky ny tapaky ny filankevitry ny ministra ny zoma teo, raha nihevitra ny maro fa ny ben’ny tanàna no hanendry azy ireo. Mazava ho azy fa tsy misy olona izay heverin’ngahy ben’ny tanàna fa ahavita ny asa fampandrosoana tiany hapetraka eto izany no handray ny fitantanana, fa olona alefan’ny prefet no hitana io andraikitra io. Inona no nanova io lalana io tampoka hoy ny mpitazana ? Mbola ankivy atao amin’ny TGV indray io hoy ny mpitazana maro, mba tsy ahafahan’ny TGV ahazo vahana firy eto amin’ny renivohitra. Inona no hambaran’ingahy Andry Rajoelina manoloana izany ? Hiteraka fifandonan-kevitra io, satria mety tsy hanaiky ny baikon’ingahy ben’ny Tanana firy ireny sefom-pokontany ireny, ka izay no mety hampifandrirotra ny hevitra. Nefa ho hita eo fa samy manana ny handikany izao ny vahoaka maro eto Antananarivo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS