Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 19h30
 

Teny zato, kabary arivo

Raiso ny lesona

lundi 21 janvier 2008 | Penjy R.

Nanomboka omaly ny CAN 2008 izay atao any Ghana ka handraisan’ny firenena maro aty Afrika anjara. Mivantana eto Madagasikara io, izay hisaorana ny fanjakana Malagasy tsy nanao ambanin-javatra io lalao io ho an’ny mponina rehetra eto amin’ity nosy ity. Ekipa heverina fa manana ny maha izy azy avokoa ireo, ka rariny raha mba hahay haka lesona amin’ny fomba filalaony isika eto antoerana. Eo ny teknika, eo ihany koa ny fomba fanomanana ny lalao goavana toy izao.

Firy volana, firy taona no hamondronana ny mpilalao raha hiatrika lalao goavana toy itony ny firenena iray, ary ny vatsy omena azy ireo mba manao ahoana ? Ny any ivelany dia raisina ho toy ny raharaham-pirenena ny baolina kitra sy ny fanatanjahan-tena, ary dia mahita fahombiazana rehefa izay no mitoetra. Isan’ny vokatra tsara azon’ny firenena Malagasy ny lalaon’ny nosy iny taona lasa iny, koa raha hiatrika lalao ny Barean’i Madagasikara afaka volana vitsy, tokony efa homanina izao sahady ny fampivondronana ny hery ? Efa nasiana resaka teto io, fa ny hamerenana izany, dia mba hahay haka lesona amin’ity CAN nanomboka omaly ity, na ny mpilalao, ary eo ihany koa ny federasiona sy ny fanjakana, mba tsy hifanome tsiny lava eto isika. Koa raiso ny lesona hanarenana ny ekipantsika, fa zara aza nahazo mivantana ity CAN ity isika eto Madagasikara.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS