Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 19h30
 

Malagasy

Raharaham-pirenena

Nivadika i Ramino Jean

jeudi 7 février 2008 | Penjy R.

« Mahaiza mandinika ry mpitondra fanjakana, fa efa tsy mahataitra ny maro intsony ny karazana fampisehoana ataonareo. Isan’io ny fidinanana izay atao eto, ka tsy mahazo ny antsasaky ny mpifidy, ary raha miroatra indray izy ireny, dia mifidy olon-kafa toy ny hita teto Antananarivo ireny. Ny fahoriam-bahoaka no maika avotana indrindra, satria latsaka ankaterena lalina izy io, ary saika hilatsaka aho tamin’ity fifidianana indray mitoraka ity, nefa hitako fa tsy maika io raha mitaha amin’ny fahavoazana mianjady amin’ny mpiray tanindrazana », hoy i Ramino Jean. Nomeny tsiny ihany koa ireo mpanohitra mitaky ny hanovana ny lalam-pifidianana misy eto. « Nahoana », hoy ingahy Ramino Jean, « raha fony ianareo nitondra no nanaovana izany, fa tsy rehefa mahazo laka amin’io ny mpitondra ankehitriny vao mitaky fiovana toy izao ? Nivadika izany », i Ramino Jean, izay sady mikopaka fatsy ny mpitondra, no mandefina ivoho ny mpanohitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS