Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 07h02
 

Malagasy

Holafitry ny mpanao gazety

Tsy handray anjara ny AJRP

vendredi 18 janvier 2008 | Penjy R.

Mifantoka betsaka any amin’izay hitantanana ny holafitry ny mpanao gazety ny ankamaroan’ny sain’ny maro, indrindra izay ho filohany hitondra azy mandritra ny telo taona. Rahoviana ihany koa ny tena daty marina hanatanterahina azy sy ny hikarakara izany fifidianana izany, satria maro ny mpanao gazety mitaky ny mba sehatra tsy miankina no hanomana io fifidianana io. Manoloana izany dia fantatra fa tsy handrotsaka olona ary tsy hanohana olona ho amin’izay ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety ny fikambanan’ny mpanao gazety amin’ny onjam-peo tsy miankina eto Madagasikara “AJRP”. Ny antony dia mba hitandroana ny mety hisian’ny disadisa eo amin’ny samy mpikambana, saingy malalaka kosa ny mpikambana tsirairay amin’izay olona ho tohanany na hilatsaka ao amin’izany birao izany izy ireo. Nambaran’ny filohan’ny AJRP Soava Andrimarotafika ihany koa fa zon’ny tsirairay ny mirotsaka, fa ny anaran’ny fikambanana no tsy azo entina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS