Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 08h31
 

Malagasy

Tranom-piatohana MAMA

Migoka ny vokatra ny mpiasa

samedi 12 janvier 2008 | Penjy R.

Miarin-doha ny tranom-piatohana MAMA, raha ny vokatra azo nandritra ny taona 2007 no asian-teny, satria niakatra 13,50% ny vola naloa tamin’ireo tram-pahavoazana raha mitaha tamin’ny taona 2006. Ny vola fiandry ihany koa dia nahitana fitombony, ary voalaza fa nitombo 85% ny vola niditra tao amin’ny MAMA ny taona 2007, ary porofon’izany ny asa mivaingana vita toy ny trano trano miisa enina izay hita any Tsiroanomandidy, Ambatondrazaka, Manakara, Antsirabe, Anosibe, ary ny etsy Ambohimanarina. Misy ihany koa ireo tany vao novidiana hanorenana trano toy ny any Miarinarivo sy Maevatanana. Noho ny ezaka nataon’ny mpiasa sy ny mpitantanana dia hampiakarina 10% ny karaman’ny mpiasa hoy ny mpitantanana vonjy maika ao amin’ity tranom-piatohana MAMA ramatoa Ranirimanga Sabine, raha nifampiarahaba tratrin’ny taona tetsy amin’ny trano fisakafoana iray etsy Antanimena izy ireo omaly. Tanjona ny ahavita tsara noho ny tamin’ny taona lasa iny amin’ity taona vaovao ity, ary vonona ireto mpiasa ireto sy ny mpitantanana ny hanao ny ezaka ho an’ireo manana petra-bola ao amin’izany MAMA izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS