Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 1er juin 2023
Antananarivo | 00h57
 

Teny zato, kabary arivo

Voarahona ny mpanao gazety

vendredi 11 janvier 2008 | Penjy R.

Tsy mijanona eo amin’ny tsy fahafaliany amin’ny fitsimbadihan’ny vokatra intsony ny mponina ao Ampefy, fa miroso amin’ny fandrahonana mpanao gazety indray ny raharaha. Rehefa nanao ny fitokonany ireto mponina maro amin’ny kaominina Ampefy ireto, dia nanambara fa hotohizana io mandra-pivoakan’ny vokatra tena marina. Ao amin’ny radio iray any amin’io kaominina io no saika atao fitaovana hifampitana hafatra ho an’ny vahoaka, saingy misy olona mitady hihoam-pefy. Vokatry io, dia nakatona vonjimaika aloha izany radio izany mba hisorohana ny mety hisian’ny fanararaotana ataon’andian’olona. Fantatra ihany koa fa tsy mba tazana mandamina ny olona any amin’io faritra io ingahy depiote amin’izao ka ilay depiote taloha,Tolojanahary, no miditra manelanelana sy mijoro ho raiamandreny mba hisoroana ny mety hitrangan’ny korontana. Manantena anefa ity depiote teo aloha ity fa hendry ny vahoaka any ka ahay hitandro izany filaminana izany.

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

juin 2023 :

Rien pour ce mois

mai 2023 | juillet 2023