Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 15h24
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • Fanabeazana sy toe-tsaina

    mercredi 31 octobre 2007 | Penjy R. |  1014 visites
    Miharendrika ny soatoavina Malagasy noho ny fibosesehan’ny kolon-tsaina vahiny eto Madagasikara, ka sarotra harenina ny toe-tsain’ny tanora Malagasy manoloana izany. Tsy mahasehaka firy ny raiaman-dreny amin’ny filàn’ny tanora fa izay ilainy dia tsy maintsy hefaina, satria ny revy tsy maintsy mandeha. Miezaka ny mpanabe isan’ambaratonga manitsy làlana ny tanora, saingy vitsy izy ireo no resy lahatra. Manova ny fomba famindra ny fanjakana hanabeazana ny Malagasy kanefa firy ny Gasy taitra amin’ny (...)
  • Finoana diso toerana

    lundi 29 octobre 2007 | Penjy R. |  1386 visites
    Tsy mbola nalevina hatramin’izao ny nofo mangatsiakan’i Lucky Dube, ilay teratany Afrikanina tatsimo nametraka ny hira reggae. Vono olona feno herisetra no azo anambarana ny nahafatesany, koa noho io dia tsy manaiky lembenana amin’ny fahotan’ny sasany ny fianakaviany sy ireo mpomba ity mpanan-kanto maneran-tany ity. Dimy andro taorian’ny nahafatesany, dia mbola tsy nalevina ny nofo mangatsiakan’i Lucky Dube, satria toa tsy maty amin’ireo mpankafy ny hira novoiziny ny maro eran-tany hoe maty (...)
  • Taxi eto an-dRenivohitra

    Hanao fitokonam-pisaonana

    vendredi 26 octobre 2007 | Penjy R. |  986 visites
    « Tsy hainay mpamily sy tompon’ny Taxi rehetra eto an-drenivohitra ny hangina manoloana ny famonoan’ny sasany ny namanay ka naleviny tany anaty lava-drano, izay hita fa feno habibiana tanteraka ny naningorana ny ainy. Miaina ao anaty tebiteby tanteraka izahay tompon’ny fiara sy ny mpamily, satria vao tsy ela no nandrenesana indray ilay mpamily namanay novonoin-dry zalahy teny Itaosy ary mbola tsaboina eny amin’ny Hopitaly hatramin’izao ». Vono olona miampy fandrombana ireo no hita tao ho ao, ka (...)
  • Henri Lecacheur

    Miantso fiaraha-midinika

    samedi 20 octobre 2007 | Penjy R. |  524 visites
    Niseho tao anatin’ny mpanao politika maro indray ingahy Henri Lecacheur, izay miantso ny filoha Ravalomanana mba hampiantso fivoriana eo amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra mba ho tombotsoa ambonin’ny firenena. Antony maro no ilàna io, ka isan’izany ny tsy nanaovana ny famotsoran-keloka ka mbola misy ny migadra sy manao sesin-tany ny tenany any ivelany vokatry ny krizy 2002. Mitombo ny fahorian’ny Malagasy ary midangana ny vidim-piainana, tsy tafapetraka ny bileta tokana izay takian’ny maro (...)
  • Fisotroan-dronono

    Voasambotra i Alibabah

    vendredi 19 octobre 2007 | Penjy R. |  822 visites
    Ela nisotroan-dronono ka kofona ny farany i Ali baba sy ny namany iray, izay nanao ny asa fisolokiana tetsy Antaninarenana omaly. Nikoropaka ny be antitra raha nahita fa noraisim-potsiny ity olona voalaza anarana sy ny namany ity omaly teny Antaninarenina. Efa fanaon’ity lehilahy tsy dia mbola antitra sy ny namany ity ny mitondra taratasy sandoka hakany vola tsy latsaky ny 200. 000 ar ny iray, kanefa mahatratra efatra ny taratasy sandoka ampiasainy. Maro no nihevitra fa tsy mandeha irery (...)
  • Fitsarana mendrika

    Resin’ny mpanao gazety ny mpitory

    jeudi 18 octobre 2007 | Penjy R. |  5799 visites
    Nandresy tamin’ny fomba madio ny namana mpanao gazety Tsabotokay Honoret omaly raha namoaka ny didy ny mpitsara tany Manakara omaly. Tsy misy mitombina ny fitoriana natao tamin’io namanay mpanao gazety io, ary io nahafahan’ny fitsarana io ny lehilahy. Ny filohan’ny AJRP Soava Andriamarotafika dia nisaotra ny fahendren’ny fitsarana tamin’ny fahitany fa tsy meloka ity mpanao gazety (...)
  • Vokatra ofisialin’ny HCC

    Voahilika tamin’ny ora farany i Zakahely

    lundi 15 octobre 2007 | Penjy R. |  587 visites
    Na dia nisy elanelam-bato lavitra be aza teo amin’ny kandida Zakahely sy ny kandida natolotry ny TIM tany amin’iny faritra Mananara avaratra iny, dia hentitra ny HCC nanambara fa averina ny fifidianana any amin’io faritra io noho ny olana niseho nandritra ny fifidianana tany an-toerana. Famoriam-bahoaka ny andro alahadin’ny fifidianana sy korontana natao tao amin’ny birao fandatsaham-bato no tena anton’io famerenana ny fifidianana io, izay ny ministeran’ny ati-tany no miantoka ny famitana azy. (...)
  • Tsy hisy marimaritra iraisana

    jeudi 11 octobre 2007 | Penjy R. |  593 visites
    Rehe fa ankatoky ny fifidianana tahaka izao, dia misy hatrany ny marimaritra iraisana eo amin'ny antoko mitovy fomba fijery mba tsy hampizara ny vato, ka hanome vahana ny hafa. Ny hita aloha hatramin'izay dia saika ny antoko eo amin'ny fitondrana hatrany no hialokalofan'ny malemy, sitrany ahay tsy lany vola ary mba mahazo izay anjara seza izay mifanandrify amin'ny tena. Hiatriaka izay ho ben'ny tanàna isika ny vola desambra izao, izay efa maro sahady no milaza fa hanohana kandida, izay tsy (...)
  • Masim-bava ?

    jeudi 4 octobre 2007 | Penjy R. |  1068 visites
    Manandro ve sa ny toky no betsaka no toa manakaiky ny voalazan’ny vavany hatrany no miseho eto amintsika isaky ny fifidianana izao ? Io no fanontaniana tonga tao antsain’ny rehetra rehefa nahita ny vokatry ny latsa-bato natao teto. Nanambara ny kandida Ravalomanana fa 1er tour de vita, ary dia tanteraka tokoa izany. Hatao fitaratra aty Afrika ny fifidianana izay atao, ary ireny niarahana nahita ireny ny nambaran’ny mpanara-maso ny fifidianana fa dia mendrika tanteraka isika eto Madagasikara (...)
  • Tsy hananan-kavana

    lundi 1er octobre 2007 | Penjy R. |  1124 visites
    Maro no nankasitraka ny tenin’ny filoha Ravalomanana teny Ivato ny sabotsy alina teo nilaza fa mety ho ny toetran’ireo depiote teo aloha no nahakivy ny maro, ka nahatonga ny fahalainan’ny vahoaka andeha handatsa-bato. Ahoana tokoa moa no hamparisika ny vahoaka hanome toerana ho azy ireo raha nahita fa vola tapitrisa maro no karama sy ny tambiny omena ireo nambara fa hitondra ny feony teny Tsimbazaza ? Toa tsy hino ny saina fa tsy afaka hanao asa ho an’ny vahoaka hono raha tsy nomena (...)
  • Tsy fahatongavan’ny mpifidy

    Tsy mahay maka lesona ny fitondrana

    jeudi 27 septembre 2007 | Penjy R. |  341 visites
    Tsy nankasitrahanay « Otrikafo » ny fanatontosana ny fifidianana farany teo iny, ka nanentananay ny maro tsy handeha hifidy ny datin'ny 23 septambra teo, saingy tsy midika io fa ny antsonay no naha-maro be ny olona tsy nanefa ny adidiny ny alahady teo. Tsy manitsaka ny demokrasia ny « Otrikafo », hoy Andrianjaka Rajaonah, fa mahita ny hantsana manasaraka ny mpitondra sy ny vahoaka. Iny fahavitsian'ny mpifidy dia azo adika fa depiote tsy manana ny hasiny no hijoro eo. Tsy mahay maka lesona (...)
  • Miditra an-tsehatra ny faritany

    vendredi 14 septembre 2007 | Penjy R. |  198 visites
    Ela nandinihana ny fiainam-pirenena ny zanak’avaratra momba izay kandida ho tohan’izy ireo eto andrenivohitra, ka tapaka ny hevitra fa hiray hina hanohana ny kandida Ramiaramanana Patrick ao anatin’ny boroborin-tany voalohany. « Lehilahy tsy miavona ary mampiray ny mpiray tanindrazana, ary hita ny asa natao, koa izay no nahatonga anay hirona hanohana ity kandida ity. Ray aman-dreninay i Ramiaramanana, ary tsy misy tanindrana sy tanavo intsony fa iray ny malagasy, koa toky no omenay fa 70% ny (...)
  • Miantsy ny fanjakana

    mardi 11 septembre 2007 | Penjy R. |  164 visites
    Ny herinandro teo no nihenjana tany Toliara ny Praiministra lehiben’ny Governemanta sy ny ministry ny fitsarana ary ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna, ka nandefasana mpitandro ny filaminana avy aty an-drenivohitra mihitsy hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Toa rano nararaka an-damosin-gana anefa izany, satria vao lasa ireto tompon’andraikim-panjakana ireto, dia niseho indray ny vono olona nahafatesana vehivavy iray, ary ny vadiny dia mbola miady amin’ny (...)
  • Fifidianana ho depiote

    Miditra an-tsehatra ny Governemanta

    jeudi 6 septembre 2007 | Penjy R. |  173 visites
    Tsy mbola fotoanan’ny fampilezan-kevitra izao, hoy ny Praiminisitra Charles Rabemananjara omaly raha nanao fitsidihana tany Fianarantsoa izy omaly, ka tao amin’ny efitra malalaky ny Matsiatra - Ambony no nilazany izany teo imason’ireo sefom-pokontany sy olom-boafidy maro samy hafa ary ny olom-boatendry. Niainga tamin’ny fampandraisana andraikitra ny rehetra indrindra fa ny sefom-pokontany ny raharaha, ary natsidika fa mila olom-baovao ny fitantanana ny faritra mba hahay handresy lahatra ny (...)
  • Gasy mpanao asa soa

    vendredi 24 août 2007 | Penjy R. |  267 visites
    Hifanotoafan’ireo milaza fa kandida sahady ny vahoaka isam-pokontany miakatra eny anivon’ny kaominina noho ny fifidianana izay ho avy tsy ho ela. Fandresen-dahatra ny mpifidy, ary miseho olona nahavita asa soa goavana teo anivon’ny mpiara-belona, indrindra fa kandida vonona hitondra ny feon’ny vahoaka eny amin’ny antenimieram-pirenena raha toa ka lany eo. Mahamenatra ny fahitana ny fihetsiky ireo kandida misora -tena ho toa voatango eo anatrehan’ny mpifidy. Olona tsy fahita firy teo (...)
  • Tafio lamba

    samedi 18 août 2007 | Penjy R. |  351 visites
    Ilaina ny fitsikerana eo amin’izay rehetra atao, indrindra moa izany raha fitsikerana ho amin’ny fanatsarana. Tontosa soa aman-tsara ny fandraisan-tsika Malagasy ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-7 amin’ny ankapobeny. Tsy nitsanga-menatra ny firenena manoloana ny firenen-kafa indrindra manoloana ny firaisam-po nasehon’ny Malagasy tsy vakivolo tamin’ny fanohanana ireo mpikatroka Malagasy. Firaisankina tsy nisy toy izany, hoy ny olona. Nandritra izay sivy andro nandraisana ity lalao ity, dia nisy (...)
  • Tafasaraka tsy fidiny

    lundi 13 août 2007 | Penjy R. |  152 visites
    Rahampitso ny andro farany ahafahan'ny kandida rehetra mametraka ny antota-taratasy filatsahan-kofidiana ho depiote, ka raha dila io dia mikatona tanteraka ny varavarana ho an'ireo taraiky. Raha ny fantatra dia ao anatin'ny ora farany tahaka izao no tena hiazakazahan'ireo kandida mametraka ny « dossier » any eny amin'ny CAVEC mba ho isan'ireo ho mpifaninana eny Tsimbazaza. Antoko maro no mivonona amin'io, izan'izany ny Leader Fanilo, Arema, TIM, CRTIM, AVI, ny mpanohitra maro izay handeha (...)
  • Atody mandresy vato

    mercredi 8 août 2007 | Penjy R. |  284 visites
    Tao anatin’ny fitsofan-drano ny mpilalao Malagasy nataon’ny filohan’ny repoblika teny amin’ny lapa-panjakana Iavoloha omaly no nikalasian’ny filoha Ravalomanana ireo nosy mpifanandrina amintsika fa bitika raha mitaha amin’ny gasy. Toa niniana no hamaivanina mihitsy ireo nosy ireo raha ny filazana fa kely sy bitika raha mitaha amin’ny Malagasy. Tsara ny fanomezana aina ny mpilalao Malagasy toy izany, fa moa ve manao kely tsy mba mamindro isika ? 18 tapitrisa isika eto Madagasikara, nefa ireo (...)
  • Tsy afa-miala ny COJI

    vendredi 27 juillet 2007 | Penjy R. |  202 visites
    Atomotra ny fanombohan’ny lalaon’ny nosy izay atao eto amintsika, ka na mbola tsy dia mifantoka loatra ao an-tsain’ny maro aza ny fiandrasana an’io, dia tsy azo lavina fa misy ny ezaka vita amin’ny handraisana sy hanomezana voninahitra ny firenena malagasy ataon’ny tompon’andraikitra ao amin’ity COJI ity, sy ny fanjakana Malagasy. Anjarantsika mpijery sisa no manome naoty ny mpikarakara sy ny vokatra mety ho azo amin’io fotoana io. Tafapetraka ny asa mifanaraka amin’ny fandraisana ny lalaon’ny nosy. (...)
  • Izay vao tena... tapitra !

    jeudi 26 juillet 2007 | Penjy R. |  139 visites
    Mangoron’entana ny mpilalao resy, ary samy mamonjy ny toerana nihaviany avy. Tsy nisy fanaovam-beloma iraisan’ny mpilalao tao amin’ny kianjan’ny Antenimiera, fa izay mbola hiverenana eo raha tahian’ny vahoaka no maika. Io no tsapa raha mahita ireto solombava niolomay andao ilay toerana nahazoan-karena, nahafahana ihany koa nitondra ny anjara biriky ho an’ny firenena, ary ny tena lehibe dia ny nahafahana nanao izay ho afany ho fampanjakana ny tena demokrasia na dia nisy voagadra aza tamin’ireto (...)

0 | ... | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS