Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 01h09
 

Teny zato, kabary arivo

Tafasaraka tsy fidiny

lundi 13 août 2007 |  152 visites  | Penjy R.

Rahampitso ny andro farany ahafahan’ny kandida rehetra mametraka ny antota-taratasy filatsahan-kofidiana ho depiote, ka raha dila io dia mikatona tanteraka ny varavarana ho an’ireo taraiky. Raha ny fantatra dia ao anatin’ny ora farany tahaka izao no tena hiazakazahan’ireo kandida mametraka ny « dossier » any eny amin’ny CAVEC mba ho isan’ireo ho mpifaninana eny Tsimbazaza.

Antoko maro no mivonona amin’io, izan’izany ny Leader Fanilo, Arema, TIM, CRTIM, AVI, ny mpanohitra maro izay handeha amin’ny anaran’ny antokony isan’isany, fa zary tsy tazana aloha hatramin’izao ilay nambara fa hitambatra hanolotra kandida iraisana. Ny tsikaritra ihany koa dia rehefa tsy natolotry ny antoko nisy azy ireo izay nanantena ny mbola hilatsaka, dia zary nandeha amin’ny anaran’ny tenany ka namorona anarana fikambanana vaovao.

Tafasaraka tsy fidiny aloha hatreto ny mpiray donak’afo, ka asa nambola hitoetra ao amin’izy ireny ilay tarigetra hatrany am-boalohany izay nametrahana dina fa tsy hivadika amin’ny tsangan-kevitra napetraky ny antoko ? Fa ny azo antoka aloha hatramin’izao, dia niova loko nanomboka hatreo ilay foton-kevitra niaingana hatrany amboalohany, ka ho hita eo koa izay mahery sy mamim-bahoaka e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS