Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 02h33
 

Malagasy

Taxi eto an-dRenivohitra

Hanao fitokonam-pisaonana

vendredi 26 octobre 2007 | Penjy R.

« Tsy hainay mpamily sy tompon’ny Taxi rehetra eto an-drenivohitra ny hangina manoloana ny famonoan’ny sasany ny namanay ka naleviny tany anaty lava-drano, izay hita fa feno habibiana tanteraka ny naningorana ny ainy. Miaina ao anaty tebiteby tanteraka izahay tompon’ny fiara sy ny mpamily, satria vao tsy ela no nandrenesana indray ilay mpamily namanay novonoin-dry zalahy teny Itaosy ary mbola tsaboina eny amin’ny Hopitaly hatramin’izao ». Vono olona miampy fandrombana ireo no hita tao ho ao, ka noho izany dia hanao fitokonana faobe ny taxi rehetra miasa eto an-drenivohitra ny 31 oktobra izao ho fisaonana ireo namoy ny ainy, ka manomboka amin’ny 6 ora maraina ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 7ora hariva izao hetsika izao. Etsy anoloan’ny HJRA no hitobian’ny ireo fiara rehetra, ary hiantsoany ireo manam-pahefana isan’ambaratongany mba handinika akaiky ny fiarovana ny ain’itony mpitatitra itony mba hiasa am-pilaminana, fa tsy ho sanatria ao anatin’ny tebiteby lava izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS