Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 07h37
 

Malagasy

Henri Lecacheur

Miantso fiaraha-midinika

samedi 20 octobre 2007 |  525 visites  | Penjy R.

Niseho tao anatin’ny mpanao politika maro indray ingahy Henri Lecacheur, izay miantso ny filoha Ravalomanana mba hampiantso fivoriana eo amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra mba ho tombotsoa ambonin’ny firenena. Antony maro no ilàna io, ka isan’izany ny tsy nanaovana ny famotsoran-keloka ka mbola misy ny migadra sy manao sesin-tany ny tenany any ivelany vokatry ny krizy 2002.

Mitombo ny fahorian’ny Malagasy ary midangana ny vidim-piainana, tsy tafapetraka ny bileta tokana izay takian’ny maro ampiharina eto mba hifanaraka amin’ny fenitra demokratika. Voagadra ireo mpifaninana tamin’ny filoha nandritra ny volana desambra 2006 ireny, ka zary raho-mainty eo amin’izao fitondrana izao. Ingahy Lecacheur indray izany no namoha ity fiaraha-midinika eo amin’ny mpanohitra sy ny mpitondra ity, ka ho hita eo ny tohin’izao antso izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS