Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 15h44
 

Malagasy

Tsy fahatongavan’ny mpifidy

Tsy mahay maka lesona ny fitondrana

jeudi 27 septembre 2007 | Penjy R.

Tsy nankasitrahanay « Otrikafo » ny fanatontosana ny fifidianana farany teo iny, ka nanentananay ny maro tsy handeha hifidy ny datin’ny 23 septambra teo, saingy tsy midika io fa ny antsonay no naha-maro be ny olona tsy nanefa ny adidiny ny alahady teo. Tsy manitsaka ny demokrasia ny « Otrikafo », hoy Andrianjaka Rajaonah, fa mahita ny hantsana manasaraka ny mpitondra sy ny vahoaka. Iny fahavitsian’ny mpifidy dia azo adika fa depiote tsy manana ny hasiny no hijoro eo. Tsy mahay maka lesona tamin’ny zava-nitranga teto hatramin’izay ny fitondrana, izay mahatadididy fony nitondra i Tsiranana, ka nahazo ny 98% ny mpifidy, kanefa taona vitsy taorian’io dia niarahan’ny rehetra ny niseho. Toy izany koa ny andron’ny amiraly ny taona 1989 izay nahazo ampaham-bato betsaka nefa io niseho iny ny raharaha 91. Tsy ny fifidianana mihitsy no maha-maika ny rehetra, ary tsy fifidianana ihany koa ny hanalany olona fa zavatra hafa no ataon’ny malagasy. Ny fiovana tsara indrindra tokony himasoan’ny mpitondra dia ny tsy fiankinan-doha amin’ny mpamatsy vola vahiny, fa raha mbola izay no atao eto, dia aoka tsy ho gaga isika raha amin’ny alàlan’ny latsa-bato tahaka izao no miseho ny endrika fikomiana ataon’ny vahoaka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS