Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 23h39
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy hananan-kavana

lundi 1er octobre 2007 |  1124 visites  | Penjy R.

Maro no nankasitraka ny tenin’ny filoha Ravalomanana teny Ivato ny sabotsy alina teo nilaza fa mety ho ny toetran’ireo depiote teo aloha no nahakivy ny maro, ka nahatonga ny fahalainan’ny vahoaka andeha handatsa-bato. Ahoana tokoa moa no hamparisika ny vahoaka hanome toerana ho azy ireo raha nahita fa vola tapitrisa maro no karama sy ny tambiny omena ireo nambara fa hitondra ny feony teny Tsimbazaza ? Toa tsy hino ny saina fa tsy afaka hanao asa ho an’ny vahoaka hono raha tsy nomena maimaim-poana 4x4 izy ireo, kanefa rehefa hanao fampielezan-kevitra mahavita mandeha bisikileta na tongotra ao anatin’ny 15 andro ihany ? Inona tokoa hoy ny mpitazana no nilana azy ireo, fa sady mpigidra lava no zary mpanangan-tànana fotsiny no atao eny an-dapa ? Ny sasany indray toa avo vava fotsiny, kanefa tsy mitondra mankaiza na mampiakatra ny farim-piainan’ny vahoaka no nataony. Ady lahy politika tsy hita fiafarany no nanjaka, ary dia ireny hita ireny ny fifanonganana nataon’ny mpiray donak’afo. Tsy ny vahoaka ihany no nangataka ny handravana ity andrim-panjakana ity, fa na izy samy olom-boafidy aza dia nangataka ny handravana ny seham-pihariany. Tsy hananan-kavana ny raharaha tahaka izao, koa moa ve diso ny rehetra raha nanome rariny ny filoha Ravalomanana nandrava ity antenimieram-pirenena ity ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS