Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 15h45
 

Malagasy

Vokatra ofisialin’ny HCC

Voahilika tamin’ny ora farany i Zakahely

lundi 15 octobre 2007 | Penjy R.

Na dia nisy elanelam-bato lavitra be aza teo amin’ny kandida Zakahely sy ny kandida natolotry ny TIM tany amin’iny faritra Mananara avaratra iny, dia hentitra ny HCC nanambara fa averina ny fifidianana any amin’io faritra io noho ny olana niseho nandritra ny fifidianana tany an-toerana. Famoriam-bahoaka ny andro alahadin’ny fifidianana sy korontana natao tao amin’ny birao fandatsaham-bato no tena anton’io famerenana ny fifidianana io, izay ny ministeran’ny ati-tany no miantoka ny famitana azy. Hatreto dia maro no mandika io ho fanilihana an’ingahy Zakahely izay nahazo ny ampaham-bato betsaka kanefa tsy tafita tamin’ny ora farany. Iza tokoa no tsy mahalala ny fomba fanoherana ataon’ity depiote teo aloha ity fony izy tao Tsimbazaza, ka nampikolay ny mpanatanteraka ny ady hevitra natao tao an-dapa ? Anio maraina dia hanao fihaonana amin’ny mpanao gazety etsy amin’ny Motel Anosy ny kandida Zakahely ka ho hita eo izay fanambarana ataony taorian’io vokatra navoakan’ny HCC io.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS