Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 12h03
 

Malagasy

Fifidianana ho depiote

Miditra an-tsehatra ny Governemanta

jeudi 6 septembre 2007 | Penjy R.

Tsy mbola fotoanan’ny fampilezan-kevitra izao, hoy ny Praiminisitra Charles Rabemananjara omaly raha nanao fitsidihana tany Fianarantsoa izy omaly, ka tao amin’ny efitra malalaky ny Matsiatra - Ambony no nilazany izany teo imason’ireo sefom-pokontany sy olom-boafidy maro samy hafa ary ny olom-boatendry. Niainga tamin’ny fampandraisana andraikitra ny rehetra indrindra fa ny sefom-pokontany ny raharaha, ary natsidika fa mila olom-baovao ny fitantanana ny faritra mba hahay handresy lahatra ny mpamatsy vola sy afaka hamolavola teti-bola ho an’ny faritra. Noho izany dia mahaiza mifidy, hoy ny Praiministra. Ny olona tsy sahy dia kanosa, kanefa io hakanosana tsy sahy mandray fanampahan-kevitra io no namatotra hatramin’izay. Momba ity fifidianana ity dia nilaza ny PM fa efa misy vahiny hanara-maso ny fifidianana izay ho solombavam-bahoaka ho tonga eto, ary niantsoany ireo izay mbola vonona hanao izany, fa dia hangarahara tanteraka sy ho modely indray ity latsa-bato ity.

Toy ny mahazatra dia misy ny baiko hentitra amin’ny hitandroana ny filaminana, sy ny hizarana ny karam-pifidianana ho an’ny vahoaka. Naseho vahoaka tao ihany koa ireo kandidan’i TIM hirotsaka ao amin’ity distrika ity, dia ny minisitra Yvan Andriasandratriniony sy ireo iray lisitra aminy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS