Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 29 avril 2024
Antananarivo | 01h47
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy hisy marimaritra iraisana

jeudi 11 octobre 2007 |  593 visites  | Penjy R.

Rehe fa ankatoky ny fifidianana tahaka izao, dia misy hatrany ny marimaritra iraisana eo amin’ny antoko mitovy fomba fijery mba tsy hampizara ny vato, ka hanome vahana ny hafa. Ny hita aloha hatramin’izay dia saika ny antoko eo amin’ny fitondrana hatrany no hialokalofan’ny malemy, sitrany ahay tsy lany vola ary mba mahazo izay anjara seza izay mifanandrify amin’ny tena. Hiatriaka izay ho ben’ny tanàna isika ny vola desambra izao, izay efa maro sahady no milaza fa hanohana kandida, izay tsy iza io fa ny atolotry ny TIM ary any amin’ny toeran’ny mpanolon-tsaina no hifaninanana. Ny TIM kosa anefa dia tsy mihevitra ny hanao marimaritra iraisana amin’ny kandida hafa satria manana ny olony isaky ny kaominina ity antoko ity, ary iza no tsy hievitra fa ny handrombaka ny toeran’ny ben’ny tanàna manerana ny Madagasikara no tanjony ? Diso hevitra izay mbola mihevitra fa hisy ny firaisan-kinam-pirenena toy ny hita taloha, fa rehefa tsy afaka ny hiady irery dia aleo mimpirina fa aza miantehitra ny hafa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS