Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • FJKM Anosipatrana

    Mifandrafy ny mpino kristianina

    lundi 13 octobre 2008 | Penjy R. |  1182 visites
    Marary ny aim-panahin'ny fiangonana. Tsapa izany nandritra ny fotoam-pivavahana tao amin'ny FJKM Anosipatrana omaly maraina. Nivoaka ny trano fivavahana ireo mpino maro, ary nilanja sorabaventy mitaky ny hamerenana ny pastora Ralijaona Noroharisoa amin'ny toerany. Nigagam-bahoaka ny zava-niseho, satria moa va tsy irony mpanao politika midina etsy amin'ny kianjan'ny 13 mai irony ireto vahoakan'Andriamanitra tetsy Anosipatrana ireto. Tsy nisy vavaka nandeha tamin'izay laoniny intsony, satria (...)
  • Elia Ravelomanantsoa

    Mbola fanoherana tamin-dRatsiraka no misy

    samedi 11 octobre 2008 | Penjy R. |  894 visites
    Tsy ampy, fa tsy hoe tsy mety tanteraka ny asa miantraika amin'ny vahoaka eto. Midika izany, fa mila ny fandraisana andraikitry ny rehetra fa tsy hialangalana. Tsy voatery hiaraka hitondra amin'ny fitondrana izany. Manana anjara fanabeazana ny mpanao politika ka ho ezahin'ny antoko «Madagasikarantsika» tarihan-dRtoa Elia Ravelomanantsoa. Nambarany fa nomen'ny vahoaka fahefana hitondra ireo mpitantanana ankehitriny. Manaja izany ity antoko ity. Ny antoko misy an'i Elia Ravelomantsoa, dia (...)
  • Antoko Fihavanantsika

    Mibosesika ny vahiny, mila mailo isika

    jeudi 9 octobre 2008 | Penjy R. |  657 visites
    Be harena i Madagasikara, ka mampisarika ny mason'ny mpanam-bola vahiny. Ny fitrandrahana ireo harentsika hiondrana any ivelany no tena mahazo laka ankehitriny. "Manahy ny mety ho avin'ny firenena malagasy izahay ato amin'ny antoko Fihavanantsika", hoy ingahy James Ratsima. Mpikatroka ao anatin'ny birao politika. Heno, fa misy mitady, hametraka toby fitrandrahana nokleary eto mba hanome herinaratra. Mety hanimba tontolo hiainana io, ka aleo ny barazy amin'ny toho-drano no atao. Mora kokoa (...)
  • Raharaha Bôlô

    30 volana an-tranomaizina

    mardi 7 octobre 2008 | Penjy R. |  493 visites
    Tsy araka ny nampoizina ny sazy navoakan'ny fitsarana omaly tetsy Anosy momba ny raharaha Bolo. 30 volana sazy mihatra an-tranomaizina no azon-dry Bolo sy ny namany izay miisa 11. Raharaha izay tafiditra amin'ny resaka fanonganam-panjakana izay saika atao nanomboka ny taona 2006. Nampakatra fitsarana ambony ireo mpisolo vava ny voampanga, manoloana iny didy nivoaka omaly iny. Tsy araka ny nampoizina hoy ny maro ny didy nivoaka, satria maro no nihevitra fa sazy mandram-pahafaty no ho (...)
  • Loholona Rabetsitonta

    Mba mahalala menatra ry mpanohitra

    vendredi 3 octobre 2008 | Penjy R. |  1032 visites
    Tsy mpanohana izao fanjakana izao izahay, raha toa ka tsy niteny ny tarehi-marika. Niakatra hatrany amin'ny 7,5% ny harin-karena faobe teto Madagasikara. Midika io fa misy ezaka lehibe nataon'izao fitondrana izao hanatsarana ny toe-karena Malagasy. Ny Grad Iloafo, hoy ny loholona Rabetsitonta, dia dia mahay mihaino, ary manolotra soson-kevitra entina hampandrosoana an'i Madagasikara. Tokony hisy ny sehatra malalaka afahana maneho hevitra, nefa tokony hiavaka tsara ny mpiray diha amin'ny (...)
  • Tsy hiova ny Governemanta

    Tsy ilaina ny manova olona

    lundi 29 septembre 2008 | Penjy R. |  461 visites
    Tsy kilalaon-jaza ity manova olona isaky ny mihetsika ity. Noporofoin'ny filoha Ravalomanana io tamin'ny zoma alina teny Ivato. Vao manomboka ny asa ka hanova Governemanta ahoana ? orofo iray io, fa olona mahatoky mahavita azy avokoa ireo narafiny ao anatin'ny Governemanta ireo. Asa maro no miandry ireo mpanatanteraka, ary isan'io ireo notanisain'ny filoha nandritra ny kabariny teo anoloan'ny firenena mikambana tany New York. Ny sehatry ny fahasalamana toy ny ady amin'ny tazo moka, izay (...)
  • Fahasalaman’i Ratsiraka

    Salama tsara ny amiraly

    samedi 27 septembre 2008 | Penjy R. |  1930 visites
    Tomady sady, salama ny amiraly. Io no valin'ny filazana tao ho ao, fa tsy salama ingahy Didier Ratsiraka. Mampamangy ny vahoaka Malagasy any hoy ny tenany, raha nampita hafatra ho an'ny malagasy izy. Ingahy Roland Ratsiraka no nampitondrany io hafatra io. Endrika fanagiazana ny tenany ny toy ireny hoy izy. Ninia nangina aho, raha vao nivoaka ny fonja, saingy toa manosika ahy hiteny ny tranga nahazo ahy farany teo. Miantso ny vadin'ny Filoha Ravalomanana ny lehilahy, mba hiroso amin'ny (...)
  • Soanierana Ivongo

    Mandidy dia homana ny ben’ny tanana

    vendredi 26 septembre 2008 | Penjy R. |  524 visites
    Nametram-pialana avokoa ireo mpanolontsainan'ny kaominina miisa 7, ao amin'ny kaominina Antanifotsy, distrikan'i Soanierana Ivongo ny 10 septambra lasa teo. Fanaovana ampihimamba ny volam-bahoaka no anton'izao fametraham-pialana izao. Io no nambaran'ny depiote voafidy tany an-toerana Mananjara Fidson, izay isan'ny tsy hanaiky lembenana amin'izao trangan-javatra mitranga izao. Nisy ny vola Ar 9 tapitrisa avy amin'ny filoham-pirenena nomena isaky ny kaominina. Tsy hita akory anefa izay (...)
  • Fanampiana ataon’i TIM

    Misy mivarotra ireo fitaovana

    lundi 22 septembre 2008 | Hery A., Penjy R. |  426 visites
    Aleon'ny sasany avadika vola, toy izay hianaran-janany. Fitiavan-kely tsy misy toy izany. Tsapa io nandritra ny fizarana fitaovam-pianarana kahie nataon'ny antoko tim ny sabotsy lasa teo. Kahie miisa efatra isaky ny ankizy no natolotra, ary nisy vitsivitsy ireo ray aman-dreny niaraka tamin'ny zanany no namadika izany ho vola teo amin'ny mpivaron-kena iray tetsy Besarety. Ny anton'io hoy ity ramatoa iray, dia tsy manana sakafo ho hanina izy ka aleo ny kibo no asiana sakafo kely. Tsy manana (...)
  • Kaominina eto andrenivohitra

    Hitokona ireo mpiasa voahilikilika

    vendredi 12 septembre 2008 | Penjy R. |  528 visites
    Ny etsy miravona, ny olana hafa mipoitra indray. "Rehefa tsy hisy fitsimbinana ny momba anay mpiasa, dia mety hiafara amin'ny fitokonana faobe izy ity". Io indray no nambaran'ireo mpiasa eo anivon'ny kaominina Antanananarivo renivohitra. "Tafiditra hatrany anatin'ny asanay ny resaka politika, ka napetraka anjorom-bala izahay mpiasa efa niasa amam-polo taona maro". Ny fitakiana ny hampiakarana azy ireo ho ELD no fiandohan'ny resaka. 5 taona niasana ny kely indrindra, nefa mbola ECD ihany (...)
  • Kaominina sy fanjakana

    Alamino sao mikorontana, hoy Ramampy Zenaïde

    mercredi 10 septembre 2008 | Penjy R. |  906 visites
    Raha tena mipetraka eo amin'ny fanjakana sy ny kaominina ny fitiava-tanindrazana, dia tokony ahay hifandamina izy ireo. Tsy izao fifandirana isaky ny masoandro miposaka izao no heverina fa ahafahana mampandroso haingana ny tanàna. Io no fanambarana nataon-dramatoa Ramampy Zenaïde, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena teo aloha ary mpikambana tao amin'ny TIM. Matahotra ny hisian'ny korontana ny tenany, satria toy ny vao omaly ny zava-nitranga nandritra ny raharaha 2002 ireny. Izao sahady ve (...)
  • Fanehoan-kevitra

    Tsy mila mpanakorontana ny TIM

    lundi 8 septembre 2008 | Penjy R. |  533 visites
    Mitohy ny asa ataon'ny antoko Tiako I Madagasikara. Tsy maintsy voapetraka hatramin'ny faran'ny volana Oktaobra izao ny rafitra rehetra. Misokatra ho an'ny olona tsara sitrapo ny fampandrosoana, saingy tsy hiaraka amin'ny mpanakorontana. Io no nambaran'ny filohan'ny TIM Ivan Randriasandratriniony ny sabotsy teo tetsy Ankorondrano. Namaliana avy hatrany ireo resabe nandeha teto amin'ny tanàna tao ho ao ihany koa io fihaonany tamin'ny mpanao gazety io. Aoka tsy hialokaloka amin'ny tsy (...)
  • Fanadihadiana tao Antsiranana I

    Tsy avela ho potehin’ny Politika ny tanàna

    lundi 1er septembre 2008 | Penjy R. |  974 visites
    "Malahelo aho, raha isaky ny hiarin-doha ny tanàna no misy ny hetsika politika hanapotika ny kaominina. Aoka tsy ho faralahin'ny kaominina izahay eto amin'ity Antsiranana I ity". Io no nambaran'ny ben'ny tanàna ao amin'ity kaominina ao Antsiranana ity, ingahy Johary Houssen Alibay. Maro ireo tetikasa atao ao amin'ity kaominina ity, ary voalaza fa asa tsy vita nandritra ny 20 taona no efa andalam-pahavitana ankehitriny. Isan'io ny fanamboarana ny seranan-tsambo ao Antsiranana. Ny fanaovana (...)
  • Antananarivo

    « Aza potehina ny safidin’ny vahoaka 60% », hoy Rabesahala Gisèle

    vendredi 29 août 2008 | Penjy R. |  909 visites
    Mipetraka ny savorovoron-tsaina noho ny fanakendana ny kaominina eto andrenivohitra. Tsy avy amin'ny safidin'ny mponina na ny mpitantana ny tanàna, fa ny fihetsika ataon'ny fitondrana no mahatonga izany. Tsy fandranitana na fanakorontanana no hitenenako, hoy ramatoa Gisèle Rabesahala, fa amin'ny naha-mpitantanana ny tanàna teto Iarivo ny antoko nisy ahy, dia ny AKFM izany. "Misy ny fanerena sy ny ankivy atao amin'ity tanàna ity. Ny vola tsy notrosainy sy tsy nampiasainy ve no asaina aloany (...)
  • Tokony ho matotra ny ben’ny tanàna

    vendredi 29 août 2008 | Penjy R. |  784 visites
    Mihazakazaka ny asa atao eto Madagasikara. Manana andraikitra lehibe amin’io ny eo anivon’ny ministeran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Midika asa goavana ny anton’ny nanakambana ireo ministera roa ireo ho iray. Manana andraikitra goavana eoanivon’ny faritra sy ny distrika ary ny kaominina ity ministera ity. Ilaina ny fidinan’ny fanjakana eny anivon’ny vahoaka mijery sy manara-maso izay filan’ny mponina eoamin’ny foto-drafitrasa isan-karazany. Ilaina noho izany ny fiaraha-miasan’ny (...)
  • Tsy ho lasa rano

    mardi 26 août 2008 | Penjy R. |  437 visites
    Malaza indray ny fanomezana rano fisotro madio ny vahoaka eto Madagasikara. Mihetsika mitady fanampiana hatrany ivelany ny mpitondra fanjakana. Napetraka ny ministry ny Rano, ary maro no nanohina ny antso ireo firenena any ivelany fa hanampy an'i Madagasikara. Ny 15% ny vahoaka Malagasy no tsy mahazo rano fisotro madio, ka ny renirano na rano miangona na lava-drano no hivelomana. Tsy ho gaga isika raha maro no tratrin'ny aretina toy ny lagaly, na areti-kibo ho an'ny zaza vokatry izay rano (...)
  • Kolontsaina Malagasy

    Apetraho ny rafitra hitaizana ny ankizy

    mardi 26 août 2008 | Penjy R. |  628 visites
    Miha-potika ny soatoavina Malagasy, ka na ny resaka famadihana aza toa heverin'ny hafa fa fandaniam-bola fotsiny. Andraikitra iray miandry ny olon-kendry rehetra ny famerenana amin'ny laoniny ity soatoavina Malagasy ity. Ingahy Rabesata Arima, mpanoratra ny boky Alimanaka Malagasy, no naneho ny ahiahiny ny mety aharendrika ny fomba amam-panao Malagasy raha tsy mitandrina isika. Taorian'ny nampidiran'ny mpanjanaka ny fivavahana teto Madagasikara no nanomboka very tsikelikely teo amin'ny (...)
  • Potika ny maha-Malagasy

    mercredi 20 août 2008 | Penjy R. |  803 visites
    Ny loza faran'izay ratsy rehetra no indro fa mipoitra tsikelikely eto Madagasikara. Raisina amin'io ny loza mahatsiravina nataon'ilay Polisy ny zana-badiny ny faran'ny herinandro teo. Ny zana-badiny izay vao 6 taona monja no naolany sy novonoiny ho faty, ary nariany teny amin'ny fasam-poana etsy Anjanahary. Rà latsaka, tsy maintsy misy todiny. Tratra rangahy, ary tsy maintsy handray ny vokatry ny nataony ity nahavanon-doza ity. Raha tsiahiviny fohy ny tantara, dia ny sabotsy teo no hita (...)
  • Tsy nitsanga-menatra

    mardi 19 août 2008 | Penjy R. |  612 visites
    Raraka avokoa ny atleta gasy nilalao tany Beijign. Midikaio, fa mangoron'entana, ary aty antanindrazana indray mijery ny lalao tohiny any amin'io firenena io. Tsy nampitsanga-menatra ny nahita ny ezaka nataon'ireto mpilalao ireto. Samy nisento tokana ihany koa ny Malagasy maro nahita ny anaran'ny Madagasikara, sy ny sainam-pirenena Malagasy, teo ampiangana nandritra ny hazakazaka 100 metatra misy fefy nataon'i Berliozy. Midika io fa misentyo ho an'ny tanindrazana ny saina sy ny fo rehetra. (...)
  • Aretin’ny homamiadana

    Sitrana eto an-toerana ny 50% ireo marary

    samedi 16 août 2008 | Penjy R. |  1740 visites
    Tsy izay voan’ny homamiadana dia ho faty. Mahasitrana izany isika, saingy ny fitsirihana no mila atao mialoha, raha vao mahita ho tsy mety amin’ny vatany ny olona iray. Ny mampalahelo, dia ny tsy fahampian’ny fitaovana entina mitsabo. Fanazavan’ny mpitsabo etsy amin’ny HJRA io ny alakamisy teo. Maro ny olona no tsy mahalala ity aretina ity. Izay no hanaovan’ny AROM “ Association d’appui à la Radiothérapie et l’Oncologie” hetsika mba ahafantaran’ny vahoaka izany. Voalaza fa ny nono sy ny tranon-jaza (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 200

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS