Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 13h17
 

Malagasy

FJKM Anosipatrana

Mifandrafy ny mpino kristianina

lundi 13 octobre 2008 | Penjy R.
Ireo mpino tsy manaiky ny fanala ny mpitandrina.

Marary ny aim-panahin’ny fiangonana. Tsapa izany nandritra ny fotoam-pivavahana tao amin’ny FJKM Anosipatrana omaly maraina. Nivoaka ny trano fivavahana ireo mpino maro, ary nilanja sorabaventy mitaky ny hamerenana ny pastora Ralijaona Noroharisoa amin’ny toerany.

Nigagam-bahoaka ny zava-niseho, satria moa va tsy irony mpanao politika midina etsy amin’ny kianjan’ny 13 mai irony ireto vahoakan’Andriamanitra tetsy Anosipatrana ireto. Tsy nisy vavaka nandeha tamin’izay laoniny intsony, satria ny tao am-piangonana sy ny taty an-tokontany, dia samy nanao ny fotoam-pivavahany avy.

Raha tsiahivina ny tena fizotran’ny tantara, dia ny sabotsy 3 mai 2008 lasa teo no tao amin’ny FJKM Anosipatrana ny synodam-paritany andrefana, « SPAA », nandroaka ny mpitandrina tao an-toerana tsy hitondra io fiangonana io intsony. Nisy andian’olona tsy dia maro voalaza fa nitory ity mpitandrina am-perina’asa ity. Nalahelo ireto mpino, satria tsy mba nisy ny fanadihadiana natao momba ny fitorian’ireto olona ireto. Raha ny foto-dalàna FJKM no nanalana azy tsy dia olana hoy ireto vahoaka ireto, saingy ny halako bika tsy tiako tarehy no nampiharina. Tsy ho gaga ny maro raha raikitra toy izao ny disadisa io omaly io. Nitsofoka nandray antanana ny fiangonana indray ny pasitera Andrianatoandro Mamy avy ao amin’ny FJKM Anosibe Ziona, saingy toa tsy maha-tapaka ahitra hoy ireo mpino tafaresaka tamin’ny mpanao gazety omaly, ka ny hevitry ny SPAA 10 nitory ilay mpitandrina voalohany ihany no arahiny.

Voalaza fa isan’ny mpitandrina nahavita be ny pasitera Ralijaona Noroharisoa satria izy no anisan’ny nahavita ny fanitarana ny fiangonana, fiahiana ny fiangonana Ambohitrinilanitra FJKM. Teo ihany koa ny fijoroan’ny kolejy Milofo, sy ny fijoroan’ny trano ho an’ny Promofem sy ny Sampati.

Miantso ny fandraisana andraikitry ny foibe FJKM ireto mpino ireto, satria marary ny aim-panahin’ny vahoakan’Andriamanitra manoloana izao disadisa izao. Tsara ny milaza fa efa tsy nandray solon-tsakafo intsony ity mpitandrina ity nanomboka ny volana Aogositra 2008 teo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS