Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 08h05
 

Malagasy

Aretin’ny homamiadana

Sitrana eto an-toerana ny 50% ireo marary

samedi 16 août 2008 | Penjy R.

Tsy izay voan’ny homamiadana dia ho faty. Mahasitrana izany isika, saingy ny fitsirihana no mila atao mialoha, raha vao mahita ho tsy mety amin’ny vatany ny olona iray. Ny mampalahelo, dia ny tsy fahampian’ny fitaovana entina mitsabo. Fanazavan’ny mpitsabo etsy amin’ny HJRA io ny alakamisy teo.
Maro ny olona no tsy mahalala ity aretina ity. Izay no hanaovan’ny AROM “ Association d’appui à la Radiothérapie et l’Oncologie” hetsika mba ahafantaran’ny vahoaka izany. Voalaza fa ny nono sy ny tranon-jaza mateika no tratran’io aretina io. Vokatry ny firaisana ara-nofo matetika no mahatonga izany.

Tsara ny milaza fa mandia fotoan-tsarotra ny mpitsabo etsy amin’ny HJRA, araky ny nambaran’ny Profesora Josoa Rafaramino Florine, noho ny tsy fandehanan’ny Radiothérapie ao amin’ity hopitaly ity. Efa ho 2 volana izao no maty io fitaovana fitsaboana iray io. Misy ny firenena vonona hanome io fitaovana lehibe io, saingy ny trano hitoerany no tsy misy. Nisy fampanantenana nataon’ny ministra Jean Louis Robinson ny hananganana io trano io izay mitentina 4,4 mialiara ariary no enti-manana. Mila finiavana politika raha te-ho vita izany trano izany, hoy ireto mpitsabo ireto. 1500 isan-taona ireo tsaboina amin’io fitaovana io, ary tsy ampy ampaha-zaton’ny olona tsaboina eto akory ireo. Raha vita io trano io, dia olona 1 tapitrisa isan-taona no tsaboina amin’ny masinina enina, dia ilay radiothérapie izany. Amin’izao, dia voalaza fa 20 isan’andro no tsaboina eto, ka fitaovana hafa amin’ny alalan’ny fanafody atelina no hitsabona azy ireo.

Nanamafy ireto mpitsabo ireto, fa maro ny olona milaza fa mahasitrana homamiadana. Tokony hifanampy amin’ny mpitsabo izy ireny fa tsy hiolonolona ahavita samy irery izany. Ny tsapa dia maro no misandoka, ary ny marary koa tsy manan-tsafidy, satria efa very fanantenana. Manoloana ireo rehetra ireo, dia hanao cabaret etsy amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola izy ireo ny 5 Septembra izao. I Bodo sy Dadah Rabel no hanafana ny fotoana. Ny vola ho azo amin’izany, dia entina hanamafisana ny serasera miampita any amin’ny vahoaka.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS