Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 15h10
 

Malagasy

Raharaha Bôlô

30 volana an-tranomaizina

mardi 7 octobre 2008 | Penjy R.

Tsy araka ny nampoizina ny sazy navoakan’ny fitsarana omaly tetsy Anosy momba ny raharaha Bolo. 30 volana sazy mihatra an-tranomaizina no azon-dry Bolo sy ny namany izay miisa 11. Raharaha izay tafiditra amin’ny resaka fanonganam-panjakana izay saika atao nanomboka ny taona 2006.

Nampakatra fitsarana ambony ireo mpisolo vava ny voampanga, manoloana iny didy nivoaka omaly iny. Tsy araka ny nampoizina hoy ny maro ny didy nivoaka, satria maro no nihevitra fa sazy mandram-pahafaty no ho azon’izy ireo. Raha ny fahitana tamin’ny haino aman-jery samy hafa momba ireo fitaovam-piadiana nasehon’ny zandary farany teo ireny ve tsy hitombina ny ahiahian’ny maro amin’izay sazy mafy be izay. Masi-mandidy amin’ny didy avoakany anefa ny fitsarana, ary miandry izay ho tohin’ny raharaha indray ny rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS