Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 14h54
 

Teny zato, kabary arivo

Potika ny maha-Malagasy

mercredi 20 août 2008 | Penjy R.

Ny loza faran’izay ratsy rehetra no indro fa mipoitra tsikelikely eto Madagasikara. Raisina amin’io ny loza mahatsiravina nataon’ilay Polisy ny zana-badiny ny faran’ny herinandro teo. Ny zana-badiny izay vao 6 taona monja no naolany sy novonoiny ho faty, ary nariany teny amin’ny fasam-poana etsy Anjanahary.
Rà latsaka, tsy maintsy misy todiny. Tratra rangahy, ary tsy maintsy handray ny vokatry ny nataony ity nahavanon-doza ity.

Raha tsiahiviny fohy ny tantara, dia ny sabotsy teo no hita teny Anjanahary teo ambony fasam-poana ilay zaza efa maty, sady nifatotra. Tsikaritry ny olana anefa ity Polisy izay raikelin’ny maty ity nilanja sakaosy ary ny ampitson’ny nahitana ny razana. Nipetraka taminy ahiahy, ary rehefa natao ny famotorana rehetra, dia hita ny porofo, tao amin’ny trano iray izay nofain’ity Polisy ity tamin’ny anabaviny ihany. Nandà hatramin’ny farany ingahy io, nefa tsy navelan’ny rariny tsy hipoitra ny marina rehetra.

Potika ny maha-Malagasy, ary very ny fahendren’ny razana taloha. Na ny ray niteraka aza, dia hita ho naha-bevohoka ny zanany naterany. Ny halatra taolam-paty izay tsy fahita hatramin’izay toa mahazo vahana eto amintsika. Ny menaky ny aina dia misy sahy manary any anaty lava-piringa na any amin’ny fanariam-pako.

Tsy tokony ahilika any amin’ny fahantrana angamba ny habibiana ataon’ny sasany. Maharikoriko ny famonoan’olona ataon’ny sasany eto. Manjaka ny tsy fandriampahalemana, ka ny mpitandro ny filaminana sasany indray no manao ny ataony. Inona no fepetra raisina haingana hisoroana ny tahaka izao ? Ny fanabeazana ve no tsy ampy sa ny toe-tsain’ny olona mihitsy no efa potika ? Andraikitra lehibe hiantsorohan’ny tsirairay ny mifehy ny habibiana tsy hianaka eny anivon’ny fiaraha-monina, fa raha tsy izay no voafehy, dia ho loza mahatsiravina mihoatra noho izao no hiseho atsy ho atsy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS