Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 17h01
 

Malagasy

Fanehoan-kevitra

Tsy mila mpanakorontana ny TIM

lundi 8 septembre 2008 | Penjy R.

Mitohy ny asa ataon’ny antoko Tiako I Madagasikara. Tsy maintsy voapetraka hatramin’ny faran’ny volana Oktaobra izao ny rafitra rehetra. Misokatra ho an’ny olona tsara sitrapo ny fampandrosoana, saingy tsy hiaraka amin’ny mpanakorontana. Io no nambaran’ny filohan’ny TIM Ivan Randriasandratriniony ny sabotsy teo tetsy Ankorondrano.

Namaliana avy hatrany ireo resabe nandeha teto amin’ny tanàna tao ho ao ihany koa io fihaonany tamin’ny mpanao gazety io. Aoka tsy hialokaloka amin’ny tsy fahombiazana ny fitantanana ny tanàna ny resaka. Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izany mitantanana tanàna izany. Mpanantanteraka no dikany. Tanteraho izay nampanantenana tamin’ny vahoaka. Ny tsapa, dia misy ny matahotra tsy ahavita ireo toky nataony tamin’ny vahoaka nandritra ny fampielezan-kevitra ho amin’izay ho ben’ny tanàna farany ireny. Rehefa teknika ny resaka dia teknika, fa aza laroina zavatra hafa. Matanjaka ny TIM hoy izy, ary porofon’izany ny finiavan’ny mpikambana maro mametraka ny lamina maty paika hampandrosoana ny faritra misy azy. Saro-piaro amin’ny tanàna ny vahoaka eto Antananarivo, ka tsy manaiky ho viravirain’ny mpanao politika. Momba ny fikasan’ny mpanohitra hidina an-dalambe kosa indray, dia tsy vaha-olana ny fangalana fahefana an-dalambe efa nilaozan’ny toe-trandro izany. Tonga saina ny Malagasy, ka tsy izay hitarika korontana dia ho harahiny avokoa. Nohamafisin’ireto mpikambana ao amin’ny TIM ireto, fa raha misy milaza azy ho saro-piaro amin’ity tanàna ity, dia mbola saro-piaro lavitra noho ireo ny TIM.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS