Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 12h19
 

Teny zato, kabary arivo

Tokony ho matotra ny ben’ny tanàna

vendredi 29 août 2008 | Penjy R.

Mihazakazaka ny asa atao eto Madagasikara. Manana andraikitra lehibe amin’io ny eo anivon’ny ministeran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Midika asa goavana ny anton’ny nanakambana ireo ministera roa ireo ho iray.
Manana andraikitra goavana eoanivon’ny faritra sy ny distrika ary ny kaominina ity ministera ity. Ilaina ny fidinan’ny fanjakana eny anivon’ny vahoaka mijery sy manara-maso izay filan’ny mponina eoamin’ny foto-drafitrasa isan-karazany. Ilaina noho izany ny fiaraha-miasan’ny olom-panjakana rehetra amin’ireo olom-boafidy na ny olo-boatendry. Sehatra iray mifampiankina ireo. Midika izany fa tokony ho matotra amin’ny asa atao ny ben’ny tanàna ary tsy ho entanim-po amin’izay atao.

Isan’ny nambaran’ny tale Jeneraly eo anivon’ny ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana, Guy Rivo Randrianarisoa,. Ny kaominina dia manana ny fandaharan’asany eo amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Andraikitra goavana ny asa atao eny. Midika io fa tokony hisy ny fahaiza-mifampidinika sy mifanakalo hevitra eo amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra. Raha ilaina aza, dia tokony hisy fampiofanana amin’io fahaiza-mandresy lahatra io.

Izay no antony nanaovana ilay fifaninana isaky ny kaominina izay efa nanomboka ny 15 jolay lasa teo. Mandray anjara amin’io avokoa ny kaominina 1549 manerana ny nosy. Mitsinjara ho sokajy efatra io, ka ny kaominina andrenivohitra miampy ireo manana sata manokana no ao amin’ny sokajy I. Misy folo izy ireo. Ny kaominina andrenivohitra sokajiana ho sokajy 2 kosa dia misy 35. Ny kaominina ambanivohitra sokajy I mahatratra 64, ary ny farany dia ny kaominina ambanivohitra sokajy faha 2 dia mahatratra 1442. Tsy miaraka ny fandraisan’ireo anjara, noho izay maha-samy hafa ny andrenivohitra sy ny ambanivohitra izay. 2 isaky ny distrika no tafakatra, ary alefa mifaninana any amin’ny faritra avy eo. Ny asa vitan’ny kaominina tsirairay no hifaninanana, ary hifarana ny 10 septembra ny fifaninanana. Ny 25 septembra kosa no hamoahana ny vokatry ny fifaninanana. Misy ireo masontsivana tokyoïte harahina amin’ity hetman ity, dia ny fahaizana mitantanana, ny fahadiovan’ny tanana ny asa vita eo amin’ilay kaolinite ihany koa. Fifaninanana masina ity ataon’ny eo anivon’ny ministeran’ny Aty tany sy ny Fitsinjaram-pahefana ity, ary ny mpitantanana ny fifaninanana dia ny eo anivon’ny Primatora. Ireo mpiara-miombon’antoka kosa no hanome ny loka goavana ho an’izay mendrika. Tsara ny milaza fa ho lavitry ny « halako bika tsy tiako tarehy » ny hetsika tahaka izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS