Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 02h31
 

Malagasy

Elia Ravelomanantsoa

Mbola fanoherana tamin-dRatsiraka no misy

samedi 11 octobre 2008 | Penjy R.

Tsy ampy, fa tsy hoe tsy mety tanteraka ny asa miantraika amin’ny vahoaka eto. Midika izany, fa mila ny fandraisana andraikitry ny rehetra fa tsy hialangalana. Tsy voatery hiaraka hitondra amin’ny fitondrana izany. Manana anjara fanabeazana ny mpanao politika ka ho ezahin’ny antoko « Madagasikarantsika » tarihan-dRtoa Elia Ravelomanantsoa.

Nambarany fa nomen’ny vahoaka fahefana hitondra ireo mpitantanana ankehitriny. Manaja izany ity antoko ity. Ny antoko misy an’i Elia Ravelomantsoa, dia mandinika, miteny ny zavatra tsy mety, manampy amin’ny fampandrosoana, ary manabe. Mitaona ny vahoaka ihany koa ahafantatra ny fandraisainy andraikitra manoloana ny fiaraha-monina. Samy tompon’ity firenena ity isika rehetra, ka rariny raha tsy ho tompon-trano mihono amin’io ny Malagasy tsy vaky volo.

Raha ny hita ankehitriny, dia misy ny tsy fahaiza-mihaino. Tsy ho gaga isika raha mampiakam-peo ny mpanohitra. Na izany aza, dia mbola tsapa fa ny fomba fanoherana tamin’ny andron-dRatsiraka ihany no mbola miverina amin’izao fotoana izao. Toa manapotika ny ankamaroan’ny mpanao politika fa tsy mitaiza. Tsapa fa miseho sehatra avokoa ny ankamaroan’izy ireny. Ekena fa malahelo izy ireo amin’ny fanatotofana ny Betsimitatatra, sy ny fahantrana, ary ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana. Ireo anefa, dia ny vahoaka ihany no mahatsapa ny halalin’ny hevitra mivoaka. Mamporisika ny vehivavy handray andraikitra ny tenany, mba hanampy ny lehilahy eo amin’ny lafiny rehetra. Mila seham-pandalinana eto, ary miady hevitra. Raha tontosa io, dia azo antoka ny hafanam-po eo amin’ny maro hametraka izany Madagasikara ho an’ny fandrosoana.

Io indray izany no fanehoan-kevitra noentin’ity vehivahy tanora mpanao politika ity. Ny tsapa, dia samy maka ho azy ireo antoko maro eto. Ny tanjona iraisana dia ny ady amin’ny fahantrana, saingy misy kosa ny te-handrombaka seza ao anatin’ny fotoana fohy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS