Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 16h48
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy ho lasa rano

mardi 26 août 2008 | Penjy R.

Malaza indray ny fanomezana rano fisotro madio ny vahoaka eto Madagasikara. Mihetsika mitady fanampiana hatrany ivelany ny mpitondra fanjakana. Napetraka ny ministry ny Rano, ary maro no nanohina ny antso ireo firenena any ivelany fa hanampy an’i Madagasikara.

Ny 15% ny vahoaka Malagasy no tsy mahazo rano fisotro madio, ka ny renirano na rano miangona na lava-drano no hivelomana. Tsy ho gaga isika raha maro no tratrin’ny aretina toy ny lagaly, na areti-kibo ho an’ny zaza vokatry izay rano tsy ara-pahasalamana izay.

Tsy ny mponina any ambanivolo ihany anefa no mahita olona amin’ity tsy fahampian-drano ity, fa eo koa ny aty antanan-dehibe. Raisina ohatra amin’io ny eny amin’ny faritra iva. Raha vao mirotsaka ny orana, dia efa dibo-drano maloto ny lava-drano eny amin’izy ireo. Mifangaro ny rano amin’ny lava-piringy sy ny lava-drano. Io anefa no sotroina indray, rehefa avy eo. Ity ezaka ataon’ny fanjakana ity ve mety hiampita hatrany amin’ny tsy fahandoavam-bola eny amin’ny mpaompim-bahoaka intsony ? Tsara ny milaza fa Ar 10 ny iray siny ary tafakatra hatrany amin’ny Ar 50 ny 20 litatra. Isika rehetra no manao kajikajy amin’ny filan’ny tokantrano iray rano isan’andro. Ny rano sy ny trano fivoahana ary fidiovana ny tanjona, ary antenaina fa hifanome tànana amin’ny vahoaka isaky ny kaominina, mba tsy andeha ilay tarigetra tiana ho tratrarina, ka tsy ho lasa rano ny ezaka natao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS