Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 01h23
 

Malagasy

Loholona Rabetsitonta

Mba mahalala menatra ry mpanohitra

vendredi 3 octobre 2008 |  1032 visites  | Penjy R.

Tsy mpanohana izao fanjakana izao izahay, raha toa ka tsy niteny ny tarehi-marika. Niakatra hatrany amin’ny 7,5% ny harin-karena faobe teto Madagasikara. Midika io fa misy ezaka lehibe nataon’izao fitondrana izao hanatsarana ny toe-karena Malagasy.

Ny Grad Iloafo, hoy ny loholona Rabetsitonta, dia dia mahay mihaino, ary manolotra soson-kevitra entina hampandrosoana an’i Madagasikara. Tokony hisy ny sehatra malalaka afahana maneho hevitra, nefa tokony hiavaka tsara ny mpiray diha amin’ny fitondrana sy ny ankilany any amin’ny mpanohitra. Ny tsy fisian’io no mampisalasala ny maro, eo amin’ny raharaham-pirenena, satria misy ny milaza fa mpiray diha amin’ny fitondrana nefa toa manohitra ny olona hiarahany. Ny mampalahelo, dia misy amin’ny mpanohitra eto Madagasikara mbola tsy manaiky fa i Ravalomanana no filoha, nefa izao tontolo izao aza manaiky azy. Tokony ahalala menatra izy ireo amin’izany.

Ny Grad sy ny fitanterana

Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Mitaintaina ny olona tratra hariva. Vokatry ireo, dia tokony hipetraka ny Bus amin’ny alina. Ireo no hitatitra olona mody amin’ny hariva. Ny fiara mpitatitra vahoaka amin’ny atoandro izany hitsahatra amin’ny asany rehefa tonga ny ora hodiany. Io dia heverina hanomboka amin’ny 7ora hariva ka hatramin’ny 12ora alina. Mbola hangataka fihaonana amin’ny ben’ny tanana eto andrenivohitra izahay hoy ingahy Rabetsintonta. Momba ity renivohitra ity, sy ny tetik’asa momba ilay fanitarana ny renivohitra, dia tokony hijoro ny vaomiera manokana hiarahan’ny fanjakana sy ny kaominina mandinika izany. Tsy vitan’ny kaominina eto andrenivohitra ireo io, ka izay no hilana ity vaomiera ity. Tsy adinon’ity antoko Grad ity no namelabelatra ny momba ny fambolena izay tetika iray hisorohana ny mety hitrangan’ny krizy ara-tsakafo eran’izao tontolo izao. Isan’ny tratran’io isika eto Madagasikara. Ny firosoana bebe kokoa amin’ny fampitomboana ny sehatra ny fambolena no vaha-olana. Hatsaraina ny masom-boly sy ny zezika. Hampitomboina ny fahaiza-manaon’ny tantsaha mba hamokatra bebe kokoa.

Ny fampianarana

Mahamenatra ny filazana fa hamotika ny taranaka ny fidirana amin’ny rafim-pampianarana vaovao. Ny tenin-dreny ve hanimba ny zaza malagasy ? Tokony hipetraka ny hambom-po, ary alaviro ny resaka adim-poko, momba ny teny ho enti-mampianatra. Tokony hipetraka ao anatin’ny roa taona ihany koa ny fampianarana ny ankizy hiasa. Toy ny mitana angady, mianatra mandrafitra sy mamboly. Lalana iray ahafahana mankany amin’ny fampandrosoana io. afaka mamorona asa avy hatrany ny tanora rehefa mijanona amin’n y fianarany. Ireo no ampahan-dresaka nataon’ity antoko Grad Ity omaly raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy ireo. Raha tarafin’ny maro, dia ny hevitra toy izao no karazana takalo tamin’ny fahazoan’ity antoko ity ny toeran’ny loholona etsy Anosikely.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS