Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 10h16
 

Malagasy

Kolontsaina Malagasy

Apetraho ny rafitra hitaizana ny ankizy

mardi 26 août 2008 | Penjy R.

Miha-potika ny soatoavina Malagasy, ka na ny resaka famadihana aza toa heverin’ny hafa fa fandaniam-bola fotsiny. Andraikitra iray miandry ny olon-kendry rehetra ny famerenana amin’ny laoniny ity soatoavina Malagasy ity.

Ingahy Rabesata Arima, mpanoratra ny boky Alimanaka Malagasy, no naneho ny ahiahiny ny mety aharendrika ny fomba amam-panao Malagasy raha tsy mitandrina isika. Taorian’ny nampidiran’ny mpanjanaka ny fivavahana teto Madagasikara no nanomboka very tsikelikely teo amin’ny Malagasy io fomba amam-panao io. Tsy ny fivavahana no ratsy, fa ny namadihana ny fomba nataon’ireo zoky ray aman-dreny tany aloha ho ratsy no tsy nibahana tao an-tsain’ny maro.

Ny famadihana

Maro no mametraka fa tsy tokony ho atao ny famadihana fa mandany vola. Ny velona aza tsy voatafy, ka ny maty efa tsy mahatsiaro fangirifiriana indray ve no hanaovana fandaniana ? Hambara fa ny tany no namolavolana antsika olombelona. Midika io fa tsy ankasitrahan’ny maro ny hikambanan’ny nofontsika amin’ny tany indray raha raraka. Mila fonosona tsara ilay olona mba hampisaraka ireo voalaza ireo. Ho mari-pakasitrahana ny soa nataon’ilay olona fony fahavelony ihany koa ny anton’io. Midika io fa tsy rendrarendra ny hanaovana itony famadihana itony.

Malahelo ingahy Rabesata Arima nandre fa afaka 50 taona dia mety ho levona tanteraka ity teny Malagasy ity, ary levona miaraka amin’izany koa ny fomba Malagasy. Manao antso amin’ny mpitondra fanjakana ny tenany, mba hiara-hamelona ny soatoavina Malagasy, tsy hibahanan’ny kolontsaina vahiny be loatra eto Madagasikara. Manana anjara toerana lehibe amin’io ny haino aman-jery rehetra, satria mitaiza sy manabe ireny, fa tsy sanatria natao handetika ny an’ny tena, ka hanasoaso ny an’ny vahiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS