Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 21h05
 

Malagasy

Soanierana Ivongo

Mandidy dia homana ny ben’ny tanana

vendredi 26 septembre 2008 | Penjy R.

Nametram-pialana avokoa ireo mpanolontsainan’ny kaominina miisa 7, ao amin’ny kaominina Antanifotsy, distrikan’i Soanierana Ivongo ny 10 septambra lasa teo. Fanaovana ampihimamba ny volam-bahoaka no anton’izao fametraham-pialana izao.

Io no nambaran’ny depiote voafidy tany an-toerana Mananjara Fidson, izay isan’ny tsy hanaiky lembenana amin’izao trangan-javatra mitranga izao. Nisy ny vola Ar 9 tapitrisa avy amin’ny filoham-pirenena nomena isaky ny kaominina. Tsy hita akory anefa izay nampiasàna azy, dia voalaza fa lany ny vola. Paompy kely vitsy no nataon’ingahy ben’ny tanana, nefa dia hita fa foana ny kitapom-bolan’ny kaominina. Misy ihany koa ny fampiasana ny trano lehibe ao amin’ny kaominina ho an’ity ben’ny tanana ity manokana, hitehirizany akotry ny fananam-bahoaka, ary voalaza fa tsy misy fiaraha-midinika amin’ny mpanolon
tsaina ny asa atao rehetra. Tsara ny milaza fa avy amin’ny antoko TEZA ingahy ben’ny tanana, saingy ireo mpanolon
tsaina TEZA 4 dia niara-niala tamin’ireo mpanolontsaina TIM 3. Miahiahy be ny mponina ao amin’ity kaominina ity momba izao fandaniam-bola tsy mandeha amin’ny laoniny izao. Fantatra fa hametraka fitoriana eny anivon’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitsarana ireo olom-boafidy niala ireo araky ny nambaran’ity depiote ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS