Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 17h38
 

Malagasy

Kaominina eto andrenivohitra

Hitokona ireo mpiasa voahilikilika

vendredi 12 septembre 2008 | Penjy R.

Ny etsy miravona, ny olana hafa mipoitra indray. « Rehefa tsy hisy fitsimbinana ny momba anay mpiasa, dia mety hiafara amin’ny fitokonana faobe izy ity ». Io indray no nambaran’ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina Antanananarivo renivohitra.

« Tafiditra hatrany anatin’ny asanay ny resaka politika, ka napetraka anjorom-bala izahay mpiasa efa niasa amam-polo taona maro ». Ny fitakiana ny hampiakarana azy ireo ho ELD no fiandohan’ny resaka. 5 taona niasana ny kely indrindra, nefa mbola ECD ihany hatramin’izao. Misy kosa anefa mpiasa vao nampidirina 3 volana lasa izay, dia efa ELD, araky ny nambaran’ireto mpiasa ireto. Ireo niandraikitra ny tsena teo aloha dia mandray karama isam-bolana fa tsy omena toerana hiasany. « Mpiasam-panjakana izahay ary vonona ny hanondrotra ity tanàna ity, nefa toa kilasian’ny mpitantana eo anivon’ny kaominina ho olon’ny antoko politika ». Mahatratra 2700 no isan’ny mpiasa eo anivon’ity kaominina ity, ary vonona ny hifampidinika amin’ny ben’ny tanàna mba hanatsara ny fiainan’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa. Efa nisy ny dinika natao tamin’ireo tompon’andraikitra akaiky ny ben’ny tanàna, « saingy toa rano nararaka an-damosin-gana ny alahelonay hatreto ». Rehefa tsy mahita vaha-olana matotra ireto mpiasa ireto, dia mety hiroso amin’ny dingana manaraka izy ireo. Mitovy hevitra amin’izany avokoa ve ny mpiasa rehetra ao ? Ho hita eo ny tohiny, fa ny azo antoka dia hiditra amin’ny sehatry ny kizo indray ny kaominina raha toa ka miroso amin’io fikasana io ireo mpiasa ireo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS