Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 12h24
 

Malagasy

Fanadihadiana tao Antsiranana I

Tsy avela ho potehin’ny Politika ny tanàna

lundi 1er septembre 2008 | Penjy R.

« Malahelo aho, raha isaky ny hiarin-doha ny tanàna no misy ny hetsika politika hanapotika ny kaominina. Aoka tsy ho faralahin’ny kaominina izahay eto amin’ity Antsiranana I ity ». Io no nambaran’ny ben’ny tanàna ao amin’ity kaominina ao Antsiranana ity, ingahy Johary Houssen Alibay.
Maro ireo tetikasa atao ao amin’ity kaominina ity, ary voalaza fa asa tsy vita nandritra ny 20 taona no efa andalam-pahavitana ankehitriny. Isan’io ny fanamboarana ny seranan-tsambo ao Antsiranana. Ny fanaovana làlana 5 km isan-taona raha kely indrindra ao an-tampon-tanàna. Voalaza fa efa ny 50% ny fampanantenana nandritra ny fampielezan-kevitra no efa vita. Isan’ny mamampy betsaka izany ny fampidiran-ketra. Fantatra fa vola Ar 260 tapitrisa no niditra tao anatin’ny enim-bolana. Ny taha ambony indrindra ho amin’ity fampidiran-ketra ity teo aloha dia tsy nisy afa-tsy 34%, nefa ankehitriny dia efa tafakatra 55%. Mazoto manefa ny adidiny ny mponina satria mazava ny fomba fiasa. Hentitra ihany koa ireo mpanolotsaina ny tanàna amin’ny fanaraha-maso ny fomba fiasan’ny ben’ny tanàna.
Ny làlana ho atao kosa dia mahatratra Ar 802 Tapitrisa. Famatsiam-bola avy amin’ny FER, ary vonona ny anjaran’ny kaominina Ar 82 tapitrisa. Ireo no voalaza fa ho votsotra eo ampelan-tànana raha toa ka mahazo vahana be loatra ao an-tanàna ny fanakorontanana amin’ny resaka politika. Kaominina isan’ny kely vola raha mitaha amin’ireo kaominina amin’ny renivohi-paritra i Antsiranana I. Manantena anefa fa handrombaka ny voalohany amin’ny fifaninanana kaominina mendrika izay karakarain’ny eo anivon’ny ministeran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana.

Mifanome tànana

Misy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny ambaratongam-pahefana isan-karazany. Miainga any amin’ny olom-boatendry, mipaka any amin’ny olom-boafidy. Tsy misy fijerena tavan’olona na firehana politika. Izay vonona hampandroso, dia miara-miasa. Ireo izay mihevitra ny hanakorontana kosa, dia handray ny andraikitray izahay, hoy ramatoa lehiben’ny Faritra, Anjara Manatsara. Miezaka ny ho voalohany izahay ato amin’ny faritra Diana, hoy ity lehiben’ny faritra ity, saingy ny ratsy koa tsy kely làlana. « Tsy aha-solafaka anay amin’ny tarigetran’ny fampandrosoana anefa izany ». Nasongadin’ity lehiben’ny faritry DIANA ity ireo asa tsy maintsy atomboka ao Antsiranana, toy ny fametrahana ny rafi-pitsarana izay hitsara ireo antontan-taratasy rehetra, ka tsy alefa any amin’ny faritra hafa intsony. Ny làlana Ambilobe Vohemara efa atao. Ny ao Nosy be mihazo ny seranam-piaramanidina efa andalam-pahavitana. Hanana ny hampiavaka azy ity faritra ity rehefa tontosa avokoa ireo rehetra ireo. Antso avo no ataon’ity lehiben’ny Faritra ity ny hifantohan’ny vahoaka rehetra ho amin’ny fiovana. Io no antoka ahafahana manarina haingana ity faritra izay manana ny mampiavaka azy ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS