Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 13h46
 

Articles écrits par « Penjy R. »

  • Amboanjobe

    Lavitry ny rano fisotro madio

    jeudi 13 novembre 2008 | Penjy R. |  332 visites
    Tao anatin'ny andro maro izay, dia miaina amin'ny tsy fisian'ny rano fisotro madio ny mponina eny Amboanjobe. "Masiso izahay vahoaka, satria na ny rano entina mba hidiovana aza tsy misy". Efa maro ny fitarainana nalefana eto amin'ny kaominina Amboanjobe nalefa any amin'ny JIRAMA, saingy toa tsy nisy valiny hatrany izany. Tao anatin'ny herinandro izay dia nandeha nandritra ny 24 ora ny rano, saingy mitsitaitaika ny fandehan'io. Zara raha nisy rano ho sotroina. Avy eo indray, dia tapaka (...)
  • Ady amin’ny kere

    Be ny tany, fa ny mpamboly no tsy ampy

    mardi 11 novembre 2008 | Penjy R. |  424 visites
    Midadasika i Madagasikara. Mbola ny 25% ny tany azo volena ihany anefa no misy mamboly. Antony maro no mahatonga izany, dia ny tsy fisian'ny fikarakarana manokana ireny tany ireny, toy ny fanamboarana ny lakan-drano hanondraka ny velaran-tany. Io trangan-javatra iray io no mahatonga ny tantsaha hitady fivelomana hafa, ka ny fiakarana antanàn-dehibe no masaka ao an-tsaina. Raha ireo mbola manajary ny tany kosa, dia tsy mitombo ny velaran'ny tany volena, fa ny fiheverana ny hampitombo ny (...)
  • Fiarovana ny omby gasy

    Ampidiro amin’ny rafim-panabeazana

    lundi 10 novembre 2008 | Penjy R. |  841 visites
    Telo andro no naharetan'ny fampirantiana momba ny tantaran'ny omby gasy tetsy amin'ny Tahala Rarihasina Analakely. Telo andro nampahafantarana ny olona nitsidika tao ny maha-harena ity omby gasy ity. Fikarohana manokana momba ny omby gasy no nataon'ny profesora Tsiavaliky Celestin manerana ny nosy. Isan'io ny momba ny volon'omby sy ny fomba fiteny isam-paritra entina hanononana ireny volon'omby ireny. Voalaza fa dimy fotsiny ireo renin'ny volon'omby gasy eto amintsika izay nahazoana (...)
  • Kaominina andrenivohitra

    Manomboka anio ny sazy

    lundi 10 novembre 2008 | Penjy R. |  765 visites
    Tsy andeferana intsony ireo miniha mandika ny fepetra napetraka. Io no nambaran'ireo tompon'andraikitra misahana ny polisy kaominaly eto amin'ny tanana, satria ampy izay ny filazana ny tokony hanajana ny lalana isan-karazany. Momba ny fipetrahan'ireo mpivarotra fiara etsy Analakely sy ireo mpanamboatra finday io. Hanao be midina eny amin'io faritra Analakely io ny mpiasan'ny kaominina anio maraina. Ho raofina avy hatrany ireo fiara mbola mijanona eny amin'ireo fariotra natokana hanaovana (...)
  • Jeneraly Razakarimanana

    Omeo fanabeazana ny vahoaka

    samedi 8 novembre 2008 | Penjy R. |  582 visites
    "Aleo ho an'ny mpanao politika ny politika, ary ny mpandraharaha tokony hipetraka any amin'ny anjara asany. Raha io no tanteraka, dia vetivety dia ho tafavoaka ity firenena ity". Fanambaran'ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand io manoloana ny fifidianana niseho tany Etazonia farany teo. Ny demokraty sy ny repoblikana, dia nahay nijery ny tombontsoa iraisana ho an'ny fireneny. Nametraka ny adilahy politika, izay tsy fahita any. Tsy toy izay kosa anefa ny eto, satria tsy voapetraka amin'ny (...)
  • Ralison Roger sy ny PRM

    Misy manolo-bato mafana i Ravalomanana

    mardi 4 novembre 2008 | Penjy R. |  1049 visites
    Aoka ny tena marina no hambara amin'ny filoham-pirenena, fa tsy hotoroana vohana izy. Fanazavana nentin'ingahy Ralison Roger tao amin'ny Aceem Radio ny alahady atoandro teo. Tsapa fa betsaka ny resaka azo hifandinihana nefa toa tsy ahitana izany firy ireo olona manodidina azy. Fotoana ilana ny fikaonan-doha izao, satria sao dia tara loatra. Ampetraho hanana ny toerany ireo manam-pahaizana Malagasy. Tsy ho voatery ny vahiny hatrany no hanana ny anjara-toerana amin'izany eto amintsika. Omeo (...)
  • Manjakazaka

    vendredi 31 octobre 2008 | Penjy R. |  1061 visites
    Raikitra izany, fa ny fanjakana no hanafatra solika any ivelany. Tsy hisian'ny fanararaotana eo amin'ireo kaompania mpanafatra solika no anton'io. Fantatry ny rehetra tokoa fa na dia efa tafidina hatrany amin'ny 60 dolara aza ny vidin'ny solika, dia mbola mitazona ny vidiny ambony ihany ny eto amintsika. Fanararaotana tsy misy tahaka izany hoy ny mpitazana, ka rariny raha mandray fepetra hentitra ny fanjakana. Tsy tokony ny vidin'ny solika ihany anefa no hakana fepetra toy izao, fa izay (...)
  • Raharaha 1947

    Tsy manaiky lembenana ny zoky olona

    vendredi 31 octobre 2008 | Penjy R. |  668 visites
    Tsy maintsy aseho ny marina momba ny tolona 1947. Io no niadian-kevitra tetsy amin'ny tranom-pokonolona Analakely omaly maraina. Ny fikambanan'ny mpanao gazety zoky olona sy ireo taranaky ny MDRM no nitarika ny fotoana. Mahakasika ny fitsarana ny volana Oktobra 1948 ho an'ireo nigadra sy namoy ny ainy, momba ny vono moka 29 mars dia isan'ny lahadinika tao. Maro ireo nijoro vavolombelona momba iny raharaha iny, ary ny hametrahana ireny tantara ireny ho voarakitra anaty boky ny tanjon'ny (...)
  • Tany lonaka

    jeudi 30 octobre 2008 | Penjy R. |  579 visites
    Tsy kivy tsy ketraka ny mpitondra fanjakana eto amintsika, manoloana izay krizy mety hitranga. Zakan'ny hafa ve tsy ho zakantsika, nefa mihoitra hatrany raha mbola misy ny azo atao. Ny famokarana amin'ny lafiny maro no tanjona. Ambetin-dresaky ny mpitondra eto amintsika io. Mamokatra sakafo maro isan-karazany i Madagasikara. Voalaza fa nitombo avo roa heny ny voly toy ny vary sy ny apemba izay mamokatra in'efatra ao anatin'ny taona iray. Manana ny ampy i Madagasikara raha eo amin'ny lafiny (...)
  • Atombohy ny asa

    mardi 28 octobre 2008 | Penjy R. |  479 visites
    Tsy ho diso isika raha manomboka mifantoka any amin'ilay fivoriana atao eto mandritra ny roa taona ny resaka. Fivoriana izay hanokatra ny làlan'i Madagasikara eo amin'izao tontolo izao. Ny fomba amam-panaontsika no tena ahasarika na tsia ny vahiny. Midika izany fa ny kolontsaina Malagasy no andeha omena lanja lehibe. Manana andraikitra goavana amin'io ny ministeran'ny Kolontsaina. Tsy tambo hisaina io kolontsaina mampiavaka antsika io, ary mila trandrahana dien'izao, mba tsy ho sanatria (...)
  • Ho avy ny vahiny

    Be ny mangataka fampihavanam-pirenena

    lundi 27 octobre 2008 | Penjy R. |  809 visites
    Miala any indray ny resaka fampihavanam-pirenena. Fampihavanana izay heverin’ireo mitaky izany hatao, mba ahamendrika antsika eo anoloan’ireo firenea maro ho avy eto Madagasikara manomboka ny taona ho avy iny. Atambaro ho iray ny firaisan-tsaina ho taratr’izao tontolo izao, ny halehiben’ny soatoavina malagasy. Malagasy miray hina, mandresy ny sarotra, ary fanoitran’ny ho avy. Io no voarakitra ao anatin’ny taratasy izay haparitaka eny anivon’ny vahoaka, ary hanangonana sonia manomboka ny volana (...)
  • Fanampiana ara-bola ny mpitatitra

    Mety tsy hanome intsony ny fanjakana

    samedi 25 octobre 2008 | Penjy R. |  569 visites
    Manaraka ny fitsokan'ny rivotra eran-tany ny vahoaka Malagasy. Nidina hatrany amin'ny 70 dolara ny barila ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, ary dia maro no faly manoloana izany. Isan'io isika eto Madagasikara, satria efa nananika ny 140 dolara io teo aloha. Io vidiny farany io no nahatonga ny mpitatitra manerana ny nosy hampiakatra ny saran-dàlany hatrany amin'ny 80% ho an'ny mpitatitra sasany. Izay tsy nampiakatra ny saran-dàlany kosa, dia nampanantenain'ny fanjakana fa omena ilay (...)
  • Mpiasa 4000 saika hanafika asa eto

    Nahazo aina ny malagasy maro

    vendredi 24 octobre 2008 | Penjy R. |  933 visites
    Tsy tafita eto Madagasikara ny tetiky ny mpitrandraka harena ankibon'ny tany avy any ivelany, izay saika hampiditra mpiasa vahiny eto. Noho ilay olana ara-bola no anton'io, ka naleon'izy ireo mampiasa ny malagasy eto amintsika. Nisento tokana ny ankamaroan'ny mponina raha vao nandre ny tsy ahatongavan'izy ireo eto. Ny antony, dia eo amin'ny lafiny fahasalamana, dia maro ny nihevitra, fa ho viravirain'ireo vahiny vola ny tanora malagasy, ka hanaovany izay hitiavana azy. Ahiana noho izany ny (...)
  • Antoko Fihavanantsika

    Tsy miray loha ny mpanohitra

    jeudi 23 octobre 2008 | Penjy R. |  564 visites
    Nangina ny hetsiky ny mpanohitra. Tsy mbola fantatra izay mety ho tohiny, fa ny tsy azo lavina, dia mizarazara be ihany ny hevitra. Samy maka ho azy izahay mpanohitra na dia samy milaza aza fa iray no tanjona, dia ny ady amin'ny famoretana vahoaka. Maro an'isa ny mpanohitra, ary vitsy ireo eo amin'ny fitondrana. Tsy hay anefa ny tena mampitovy ny tadin-dokanga, ka ny hafa ny maha-maika azy dia ny hankalaza ny 14 oktobra. Ny fahefa-mividy eo amin'ny vahoaka anefa no tena maika amin'ny olona. (...)
  • Pasitera Mailhol sy ny krizy eran-tany

    Hisy filoham-panjakana hiongana

    mercredi 22 octobre 2008 | Penjy R. |  1952 visites
    Raha tsy mitandrina isika, dia ho potika indray ny toe-karena hambara fa efa miarin-doha ankehitriny. Fepetra tokony ho raisin'ny fanjakana haingana ny manazava amin'ny vahoaka ny mety ho fiantraikan'ity krizy ara-bola maneran-tany ity. Io no nambaran'ny Pasitera Mailhol tao amin'ny Aceem Radio ny alahady teo. Tahotry ny hidin'ny famatsiana ara-bola ataon'ireo mpamatsy vola mahazatra sy ny firenena matanjaka antsika io. Ny antony, dia io hiarahana mahita io ny fitotongan'ny toe-karena any (...)
  • Krizy ara-toekarena eran-tany

    Mangina ny fanjakana Malagasy

    mardi 21 octobre 2008 | Penjy R. |  546 visites
    Tsy ahiana hisy fiantraikany eto amintsika ve ity olana ara-toe-karena eran-tany ity no tsy misy feo re avy amin'ny mpitondra fanjakana? Io no mby tonga ao an-tsain'ny maro raha mahita ity olona eran-tany momba ny toe-karena ity. Mikaikaika ny firenena matanjaka, satria manomboka mitsotsorika ny hari-karena. Ny filoha Frantsay, dia nanambara, fa raha toa ka tsy mahita vaha-olana hatramin'ny Desambre 2008 ity, dia fahapotehana no hita eran-tany. Manomboka banky tanteraka ireo banky matanjaka (...)
  • Zakahely ao Ambalatavoangy

    Nifona tamin-dRavalomanana

    lundi 20 octobre 2008 | Penjy R. |  1705 visites
    « Mamela ny heloko fa tsy fantatro izay nataoko ». Vokatry ny fangirifiriana ao am-ponja, ao Toamasina, dia nandefa taratasy fifonana any amin'ny filoha Ravalomanana ny depiote Zakahely voafidy tao Mananara Avaratra. Taratasy izay niantefa mivantana ho an'ny filohan'ny repoblika Marc Ravalomanana sy ny Praiministra Charles Rabemananjara ary ny filohan'ny antenimieram-pirenena Jaques Sylla. Andro vitsivitsy izay no nananteran'ny andefimandriny ity taratasy ity tany amin'ireo (...)
  • Andrimasom-pokonolona

    Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana

    mercredi 15 octobre 2008 | Penjy R. |  596 visites
    Mitombo andro aman'alina ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Mihorohoro ny ankamaroan'ny mponina raha vao manomboka maizina ny andro. Tsy misy azo hitokisana intsony, fa na ny fianankaviana akaiky aza mivadika rehefa tojo ny saina ratsy ny lohany. Ny mpitandro ny filaminana, dia misy ny miray tsikombakomba amin'ny ratsy, ka tsy vitsy no efa tafiditra am-ponja amin'izao fotoana izao. Toa tsy azo hiateherana intsony ny lalàna hoy ny hafa, satria votsotra ny ankamaroan'ny (...)
  • Feon-dakolosy hafa

    Tsy devoly izahay ato amin’ny FJKM Anosipatrana

    mardi 14 octobre 2008 | Penjy R. |  1525 visites
    Malahelo izahay mpino, raha aparitaka amin'ny trakta eran'ny arabe fa devoly. Ny antony, dia mankasitraka ny fanovana ataon'ny synodam-paritra izahay, hoy izy ireo nitondra ny fanazavany, mikasika ny lahatsoratra nivoaka teto amin'ity gazety ity. Mitaky ny handraisan'ny foibe FJKM ny andraikiny izahay, hoy ireto mpino ireto, satria hankalaza ny faha-140 taona niorenany ny fiangonana. Atahorana ny hikatonan'ity fiangonana ity, satria efa manomboka ratsy ny fifanoherana eo amin'ny samy mpino. (...)
  • Fivoriana an-tampony Afrikanina

    Nanome tsiny ny mpanohitra ny Tim

    lundi 13 octobre 2008 | Penjy R. |  499 visites
    Misy mitady hamboly koronta tsy ahatanteraka ny fivoriana an-tampony aty Afrika atao eto Madagasikara any ho any. Io no nambaran'iIngahy Mamy Rakotoarivelo ny asabotsy lasa teo. Tombony lehibe ho antsika ny fandraisana ity fivoriana ity, satria hiompana any amin'ny lafiny toe-karena sy soasialy ny firenena. Hifantoka aty Madagasikara ihany koa ny mason'izao tontolo izao. Hiakatra ho amin'ny tsara ny lazan'i Madagasikara, ka tsy ho zakan'ny mpanohitra izany. Isan'ny voatsiahy amin'ny tombony (...)

0 | 20 | 40 | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | ... | 200

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS