Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Malagasy

Zakahely ao Ambalatavoangy

Nifona tamin-dRavalomanana

lundi 20 octobre 2008 | Penjy R.
Tsy tantin’i Zakahely intsony ny figadrana.

« Mamela ny heloko fa tsy fantatro izay nataoko ». Vokatry ny fangirifiriana ao am-ponja, ao Toamasina, dia nandefa taratasy fifonana any amin’ny filoha Ravalomanana ny depiote Zakahely voafidy tao Mananara Avaratra.

Taratasy izay niantefa mivantana ho an’ny filohan’ny repoblika Marc Ravalomanana sy ny Praiministra Charles Rabemananjara ary ny filohan’ny antenimieram-pirenena Jaques Sylla. Andro vitsivitsy izay no nananteran’ny andefimandriny ity taratasy ity tany amin’ireo filohan’andrimpanjakana ireo. Voalaza fa isan’ny nahatezitra ny fanjakana ilay vava navoakan’ingahy Zakahely milaza fa tsy matahotra an-dRavalomanana izy fa tongava aty Fenoarivo Antsinanana raha sahy. Voatsiahin’ny mpifona, fa resaka fifidianana no tiany hambara eo fa tsy fihatsiana amin’ny zavatra hafa.

Araky ny fantatra dia tsy zakan’ity depiote ity ny adin-tsaina ao am-ponja, ka miteraka fahavizanana ara-batana ho azy. Miaka-midina ny tosi-drany ka mbetika 14,9 ary ny faran’ny herinandro teo, dia tafidina hatrany amin’ny 9,5. Raha vao niditra ny fonjan’Ambalatavoangy ingahy Zakahely, dia 78 kilao ny lanjany, ary tao anatin’izay volana maro nigadrany izay, dia 74 sisa.

Manantena ny maro, fa handray izao fifonany izao ny filoham-pirenena, satria olon’ny finoana ity ray aman-drenin’ny Malagasy ity. Sambatra izay mamela heloka hoy ny soratra masina, ary hita fa ingahy Zakahely irery ny olona tsy nitovy hevitra amin’ny mpitondra sahy nanao izany fifonana izany. Ny hafa kosa dia ny mifanohitra amin’izany no nataony. Tsara ny milaza fa mbola tsy voasolo ny toeran’ingahy Zakahely ao Tsimbazaza.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS