Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 01h51
 

Malagasy

Mpiasa 4000 saika hanafika asa eto

Nahazo aina ny malagasy maro

vendredi 24 octobre 2008 | Penjy R.

Tsy tafita eto Madagasikara ny tetiky ny mpitrandraka harena ankibon’ny tany avy any ivelany, izay saika hampiditra mpiasa vahiny eto. Noho ilay olana ara-bola no anton’io, ka naleon’izy ireo mampiasa ny malagasy eto amintsika.
Nisento tokana ny ankamaroan’ny mponina raha vao nandre ny tsy ahatongavan’izy ireo eto. Ny antony, dia eo amin’ny lafiny fahasalamana, dia maro ny nihevitra, fa ho viravirain’ireo vahiny vola ny tanora malagasy, ka hanaovany izay hitiavana azy. Ahiana noho izany ny mety hiparitahan’ny aretina Sida. Ny tanora malagasy ihany koa maro no tsy manana asa, nefa nahoana ny vahiny no hibahana betsaka amin’ity asa fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany toy ny ao Ambatovy sy any Tolagnaro ity. Fepetra efa noraisin’ny sendika maro ny tsy tokony hidiran’ireny vahiny be loatra ireny eto, ka izao to izao ny fanirian’izy ireo.

Mahazo mandry ivohon’ny vato izany isika, fa tsy ho tonga eto ireo mpiasa 4000 saika hitrandraka ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara. Soa izany fa nisy ilay krizy ara-toekarena eran-tany, fa raha tsy izay, efa feno vahiny ny tanana e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS