Nangina ny hetsiky ny mpanohitra. Tsy mbola fantatra izay mety ho tohiny, fa ny tsy azo lavina, dia mizarazara be ihany ny hevitra. Samy maka ho azy izahay mpanohitra na dia samy milaza aza fa iray no tanjona, dia ny ady amin’ny famoretana vahoaka.
Maro an’isa ny mpanohitra, ary vitsy ireo eo amin’ny fitondrana. Tsy hay anefa ny tena mampitovy ny tadin-dokanga, ka ny hafa ny maha-maika azy dia ny hankalaza ny 14 oktobra. Ny fahefa-mividy eo amin’ny vahoaka anefa no tena maika amin’ny olona. Miha-sarotra andro aman’alina ny fianana. Mbola io miakatra andro aman’alina io ihany koa anefa ny vidin-jiro sy ranon’ny Jirama. Hanimba ny orinasa io, ary hanimba ny tokan-trano tsirairay. Any no maika izao. Eo anefa no ahatsapanay Fihavanantsika, hoy ingahy James Ratsima, mpikambana ao amin’ny birao politikan’io antoko io, fa mila ampitoviana ny fomba fijery eo amin’ny mpanohitra. Raha tsy izay no vita, dia io samy maka ho azy io ny rehetra.