Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 13h52
 

Malagasy

Ady amin’ny kere

Be ny tany, fa ny mpamboly no tsy ampy

mardi 11 novembre 2008 | Penjy R.

Midadasika i Madagasikara. Mbola ny 25% ny tany azo volena ihany anefa no misy mamboly. Antony maro no mahatonga izany, dia ny tsy fisian’ny fikarakarana manokana ireny tany ireny, toy ny fanamboarana ny lakan-drano hanondraka ny velaran-tany.

Io trangan-javatra iray io no mahatonga ny tantsaha hitady fivelomana hafa, ka ny fiakarana antanàn-dehibe no masaka ao an-tsaina. Raha ireo mbola manajary ny tany kosa, dia tsy mitombo ny velaran’ny tany volena, fa ny fiheverana ny hampitombo ny vokatra avo roa heny amin’ny faritra efa voajary no tanjon’izy ireny. Iarahana mahalala anefa fa mamokatra karazam-boly samy hafa i Madagasikara noho ny hatsaran’ny toe-trandro eto. Niditra an-tsehatra ny firenena Libianina nampindrana trakitera miisa 6 mba ahafahana mamokatra amin’ireo velaran-tany maro eto. Voafetra ihany anefa ny fampindramana ireto fanampiana ireto. Azo atao tsara anefa ny mividy fitaovana toy izao, ka ny faritra no hiandraikitra izany, ary ny fikambanan’ny tantsaha no hampiasa io, mba ho tombontsoan’ny mpamboly sy ny vahoaka ao amin’ilay toerana. Tokony hipetraka mazava ihany koa ny fanentanana ny mponina mba ahay hanajary ny tany, fa tsy ho sanatria ho sodokan’ny haitraitra aty an-tanàn-dehibe. Ilaina noho izany ny fametrahana fotodrafitr’asa maro eny anivon’ny tontolo ambanivohitra, toy ny jiro sy ny fampidirana rano fisotro madio. Ny hisian’ny serasera manaraka ny vanin’andro ankehitriny. Ny sekoly sy toera-pitsaboana dia tokony hipetraka mazava ihany koa. Raha ireo no hita isaky ny faritra, dia ho azo antoka fa tsy hisy olona haniry honina aty an-drenivohitra, izay tsy mifanahatsahana amin’ny fomba fiainany tany ambanivolo. Finiavana goavana anefa no tsy maintsy apetraky ny fanjakana mba ahatontosa izany. Mila fandraisana andraikitra goavana mba hiadiana amin’ity kere mety ahazo vahana maneran-tany ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS