Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h20
 

Teny zato, kabary arivo

Manjakazaka

vendredi 31 octobre 2008 | Penjy R.

Raikitra izany, fa ny fanjakana no hanafatra solika any ivelany. Tsy hisian’ny fanararaotana eo amin’ireo kaompania mpanafatra solika no anton’io. Fantatry ny rehetra tokoa fa na dia efa tafidina hatrany amin’ny 60 dolara aza ny vidin’ny solika, dia mbola mitazona ny vidiny ambony ihany ny eto amintsika. Fanararaotana tsy misy tahaka izany hoy ny mpitazana, ka rariny raha mandray fepetra hentitra ny fanjakana.

Tsy tokony ny vidin’ny solika ihany anefa no hakana fepetra toy izao, fa izay entana ilain’ny vahoaka, rehefa misy endrim-panararaotana hafa. Isan’io ny vary izay tsy takatry ny ankamaroan’ny malagasy. Marina fa efa manafatra vary mivantana ny fanjakana, saingy tokony hisy ny fijerena ifotony izay ho takatry ny isam-baravarana. Ny menaka ihany koa, dia orinasa iray no mitana ny familiana, ary dia miakatra andro aman’alina ny vidiny. Marina fa miaina ao anatin’ny fanalalahana isika, saingy misy ny manjakazaka eo amin’ny famerana ny vidin-javatra toy ity solika ity, ka miteraka sotrom-bidim-piainana eto Madagasikara. Raha tanteraka ny fikasan’ny fanjakana amin’ity resaka solika ity, dia eto Madagasikara no ahitana izany lanja midina izany voalohany eo amin’ny vidin’entana ilain’ny mponina andavan’andro.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS