Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 09h26
 

Malagasy

Ho avy ny vahiny

Be ny mangataka fampihavanam-pirenena

lundi 27 octobre 2008 | Penjy R.

Miala any indray ny resaka fampihavanam-pirenena. Fampihavanana izay heverin’ireo mitaky izany hatao, mba ahamendrika antsika eo anoloan’ireo firenea maro ho avy eto Madagasikara manomboka ny taona ho avy iny.
Atambaro ho iray ny firaisan-tsaina ho taratr’izao tontolo izao, ny halehiben’ny soatoavina malagasy. Malagasy miray hina, mandresy ny sarotra, ary fanoitran’ny ho avy. Io no voarakitra ao anatin’ny taratasy izay haparitaka eny anivon’ny vahoaka, ary hanangonana sonia manomboka ny volana novembre izao. Eny anivon’ny fokontany no hiaingan’ireo olona hanangona ity sonia ity, ary halefa eny anivon’ireo mpitondra isan’anambaratongany. Tsy mbola fantatra kosa anefa ireto komity ireto na iza na iza, fa any Antsiranana no fantatra fa hanombohan’io. Fampihavanam-pirenena tsy ilana fizarana toerana, fa fifamelana no atao. Hapetraka ho ren-tany aman-danitra fa malagasy mahay mifamela sy mifankatia no eto. Ireo fahendrena navelan’ny razana tany aloha no ho tohizana, ary hatsahatra hatreo ny ady lahy politika tsy hifankahitana eto.

Manoloana ity fangatahana ny hanaovana ny fampihavanam-pirenena ity, dia tsy fantatra mazava ny olona mety ho voakasiky izany. Mety ho ireo voakasiky ny raharaha 2002 ve sa ireo heverina fa mpanao politika vao nampidirina am-ponja tato afara ?

Ho hita eo ny tohiny, fa asa na hazoto amin’izany ireo olona heverina fa hanao sonia izany fangatahana izany na tsia, fa dia i Antsiranana izany aloha no heverin’ny sasany fa mety ho resy lahatra voalohany momba ity fitakiana mialohan’ny hatogavan’ny vahiny amin’ny fivoriana antampony aty Afrika amin’ny taona 2009 sy 2010 ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS