Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 20h17
 

Malagasy

Feon-dakolosy hafa

Tsy devoly izahay ato amin’ny FJKM Anosipatrana

mardi 14 octobre 2008 | Penjy R.

Malahelo izahay mpino, raha aparitaka amin’ny trakta eran’ny arabe fa devoly. Ny antony, dia mankasitraka ny fanovana ataon’ny synodam-paritra izahay, hoy izy ireo nitondra ny fanazavany, mikasika ny lahatsoratra nivoaka teto amin’ity gazety ity.

Mitaky ny handraisan’ny foibe FJKM ny andraikiny izahay, hoy ireto mpino ireto, satria hankalaza ny faha-140 taona niorenany ny fiangonana. Atahorana ny hikatonan’ity fiangonana ity, satria efa manomboka ratsy ny fifanoherana eo amin’ny samy mpino. Saika nanome tsiny ireo kristianina nivoaka ny trano fiangonana ny alahady teo izy ireo, izay nambara fa tetika efa voahomana mialoha. Hanao ny voka-dehibe ireo vahoakan’Andriamanitra ireto ny alahady ho avy izao. Dia sanatria ve hoy izy ireo mbola ho voakorontana tahaka izao indray ny fotoam-pivavahana ho atao ? Ho hita eo ny mikasika izany, fa feon-dakolosy hafa indray ity asehontsika anio ity.

Momba ny lahatsoratra nivoaka teto omaly, dia ialan-tsiny fa Pastora Ralinjatovo Noroelisoa no izy fa tsy ilay voasoratra omaly. Ilana tsiny tamin’ny fahadisoam-panoratana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS