Tao anatin’ny andro maro izay, dia miaina amin’ny tsy fisian’ny rano fisotro madio ny mponina eny Amboanjobe. "Masiso izahay vahoaka, satria na ny rano entina mba hidiovana aza tsy misy".
Efa maro ny fitarainana nalefana eto amin’ny kaominina Amboanjobe nalefa any amin’ny JIRAMA, saingy toa tsy nisy valiny hatrany izany.
Tao anatin’ny herinandro izay dia nandeha nandritra ny 24 ora ny rano, saingy mitsitaitaika ny fandehan’io. Zara raha nisy rano ho sotroina. Avy eo indray, dia tapaka tanteraka io rano hatramin’izao. Voatery mandeha eny andoharano ny mponina matsaka, nefa ny fahadiovan’ireny rano ireny tsy azo antoka firy. Manao antso avo amin’ny JIRAMA ireto vahoaka ireto mba hijery haingana izao fahavoazan’ny mponina izao, satria efa tanjon’ny fanjakana ny hananan’ny mponina rano fisotro madio.