Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 17h31
 

Teny zato, kabary arivo

Tany lonaka

jeudi 30 octobre 2008 | Penjy R.

Tsy kivy tsy ketraka ny mpitondra fanjakana eto amintsika, manoloana izay krizy mety hitranga. Zakan’ny hafa ve tsy ho zakantsika, nefa mihoitra hatrany raha mbola misy ny azo atao. Ny famokarana amin’ny lafiny maro no tanjona. Ambetin-dresaky ny mpitondra eto amintsika io. Mamokatra sakafo maro isan-karazany i Madagasikara. Voalaza fa nitombo avo roa heny ny voly toy ny vary sy ny apemba izay mamokatra in’efatra ao anatin’ny taona iray.
Manana ny ampy i Madagasikara raha eo amin’ny lafiny sakafo no asian-teny, saingy ny tsapa, dia mbola manafatra vary aloha isika entina hamatsiana ny mponina eto.

Tany lonaka ny nosintsika, ary azo atao tsara ny mampitombo ny voly fanondrana sy ny ampiasaina eto. Ny mampalahelo anefa, dia ny fanararaotana eo amin’ny mpijirika, ka tsy misy fiantraikany any amin’ny tantsaha tena mpamboly izay nisasarany. Hambara fa ny 80% ny malagasy, dia saika miaina any amin’ny tontolo ambanivohitra avokoa. Mbola io 80% ihany koa anefa no tarehi-marika amin’ny fahantran’ny Malagasy ? Misy lesoka tokony harenina ao, fa tsy sanatria vitan’ny resabe ambony latabatra fotsiny. Io fiantraikany any amin’ny vahoaka io no tena handrasan’ny vahoaka amin’izao fotoana, ka ampiasao ny tena politika hampisondrotra ny ambany, fa raha tsy izany, dia lasa resaka fotsiny no bobaka eto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS