Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 22h10
 

Malagasy

Pasitera Mailhol sy ny krizy eran-tany

Hisy filoham-panjakana hiongana

mercredi 22 octobre 2008 | Penjy R.
Niteny indray ny Mpaminany.

Raha tsy mitandrina isika, dia ho potika indray ny toe-karena hambara fa efa miarin-doha ankehitriny. Fepetra tokony ho raisin’ny fanjakana haingana ny manazava amin’ny vahoaka ny mety ho fiantraikan’ity krizy ara-bola maneran-tany ity. Io no nambaran’ny Pasitera Mailhol tao amin’ny Aceem Radio ny alahady teo.

Tahotry ny hidin’ny famatsiana ara-bola ataon’ireo mpamatsy vola mahazatra sy ny firenena matanjaka antsika io. Ny antony, dia io hiarahana mahita io ny fitotongan’ny toe-karena any Etazonia sy atsy Eraopa. Ny firenena Afrikanina no tena ho voa mafy, satria ity kaontinanta ity no tena miankin-doha amin’ny firenena hafa. Isika eto Madagasikara dia mbola ireo firenena ireo no miantoka ny toe-karena eto. Mety tsy hisy intsony ny fanampiana ara-bola, satria ny fireneny aloha no maha-maika azy ireo. Raha izay no mitranga, dia tsy ho voaloa intsony ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Ny entana aondrantsika tsy hisy hividy intsony, satria ny firenena matanjaka banky rompitra. Hikatona tsikelikely ireo orinasa afaka haba. Hitombo ny tsy an’asa. Ho raikitra amin’izay ny grevy tsy hifankahitana, ka hitotongana ny toe-karena. Tranga tsy maintsy ho hita aty Afrika ireo, ary hisy ny filoham-pirenena hiongana amin’ny toerany amin’izay.

Mila mailo isika noho izany, ka izay no hitaomana ny mpitondra fanjakana mba hanazava haingana ny fepetra tsy maintsy ho raisina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS