Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Malagasy

Krizy ara-toekarena eran-tany

Mangina ny fanjakana Malagasy

mardi 21 octobre 2008 | Penjy R.

Tsy ahiana hisy fiantraikany eto amintsika ve ity olana ara-toe-karena eran-tany ity no tsy misy feo re avy amin’ny mpitondra fanjakana ? Io no mby tonga ao an-tsain’ny maro raha mahita ity olona eran-tany momba ny toe-karena ity. Mikaikaika ny firenena matanjaka, satria manomboka mitsotsorika ny hari-karena. Ny filoha Frantsay, dia nanambara, fa raha toa ka tsy mahita vaha-olana hatramin’ny Desambre 2008 ity, dia fahapotehana no hita eran-tany.

Manomboka banky tanteraka ireo banky matanjaka eran-tany. Mivory tsy tapaka ireo firenena matanjaka mivondrona ao amin’ny G8.

9,5 miliara dolara ho an’ny MAP

Manomboka mihidy ny fanampiana ho an’ireo tany madinika. Isika eto Madagasikara anefa, dia iaraha-mahalala, fa miankina betsaka amin’izany fanampiana izany ny henti-manana ny MAP.

Mitentina 9,5 miliara dolara ny vola ilaina hanatanterahana ny MAP. Voalaza fa ny 4 milara dolara amin’io, dia efa manana isika. Tsara izany, fa nahoana no mbola tsy ampiasaina ? Handinika ny teti-bolam-panjakana 2009 ny eny Tsimbazaza. Ahoana ny ahazoana vola afahana mandoa ny karaman’ny mpiasam-panjakana, satria mety hanidy ny paosiny ireo mpamatsy vola mahazatra ? Tsy maintsy handalo krizy toy ireo firenena vaventy isika eto, satria miankina betsaka amin’izy ireo ny toe-karena eto Madagasikara. Ankilan’izay, dia toa minia mangina ny fanjakana, izay tokony hitondra fanazavana momba izay mety ho olana hiseho eto atsy ho atsy. Sa manana ny fahaiza-miasa hafa kely ny mpitondra, ka ny olana any ivelany tsy hisy fiantraikany eto ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS